Tsy Dia Sambatra Loatra i Espaina

Toa tsy sambatra loatra i Espaina. Araka ny fikarohana nataon'ny Anjerimanontolo Carlos III any Madrid (uc3m) [es], dia mitana ny laharana faha-49 amin'ireo firenena 112 nanaovana ny fanadihadiana i Espaina eo amin'ny lafiny fahasambarana eran-tany.

kdmskdfnwkjd

Io mariky ny fahasambarana (pdf) io dia mifototra, tsy amin'ireo fanontaniana araka ny tsirairay fotsiny ihany, fa amin'ireo “safidy mibaribary”, ary mampiasa ny fifindra-monina ho lasitra, izany hoe mifototra amin'izay ataon'ny olona fa tsy izay lazainy. Araka ny voalazan'i Juan de Dios Tena [es], mpampianatra ao amin'ny Departemantan'ny antontan'isa ao amin'ny Anjerimanontolo Carlos III: “Mifandray akaiky dia akaiky ny habetsahan'ireo fifindra-monina sy ireo olana ara-tsaina mifandray amin'ny fahasambarana”, izany hoe, manana fahazarana handao ny firenena misy azy izy ireo raha hitany fa tsy ampy ny fepetra hahasambatra azy ao, ka hifindra aminà toerana izay eritreretiny fa hanome azy izany hasambarana izany.

Nandray ho anaty kajikajiny ireo antony miankina na tsia amin'ny toekarena mahatonga hasambarana ireo mpikaroka, izay mitovy amin'ireo azo heverina ho antony lehibe mitondra any amin'ny fifindra-monina: ny totalimben'ny vola miditra, ny vola miditra nanaisorana hetra, ireo toetoetran'ny isan'ny mponina sy ny fiarahamonina, ny fivoaran'ny fiarahamonina, ny fifandraisana amin'ny hafa sy ny toetoetran'ny toerana honenan'ny olona iray, ary koa ireo antony mety hiovaova toy ny elanelan-tany na ny sisintany iraisana ary ny teny.

Rehefa jerena ireo antony rehetra ireo, ary miainga amin'i Hong Kong, Singapore sy Nouvelle Zelande, dia mitana ny toerana faha-49 amin'ireo firenena 112 tafiditra anatin'io filaharana io i Espaina, izay arahan'i Meksika, Iran ary Kôsta Rika, anivon'ireo hafa. Any amin'ny laharana farany no ahitana ireo firenena tahaka an'i Afganistana, Afrika Atsimo ary Shina.

Manamafy koa i Tena fa tsy miankina amin'ny mety hahitana asa fotsiny ihany, araka ny heverin'ny maro, ny habetsahan'ny fifindra-monina, fa vokatry ny haratsian'ny tontolo iainana, ny fampihorohoroana sy ireo tsy fitoviana ara-toekarena ihany koa, singa heverin'ireo manam-pahaizana amin'ny lafiny ara-tsaina ho mpamaritra ny fahasambarana.

Ho fehiny, milaza io fikarohana io fa tsy afaka refesina amin'ny vola miditra isam-batan'olona fotsiny ihany ny fahasambarana ary manamarika fa mampitombo ny fanirian'ireo olona hiaina ao anatin'ny fireneny ireo politika tsara, raha toa ka mampihena izany faniriana izany kosa ireo izay ratsy.

Indreto misy bitsika vitsivitsy mirakitra fihetseham-po ao amin'ny Twitter:

Lavitry ny laharana voalohany i Espaina eo amin'ny laharan'ny fahasambarana nataon'ny UC3M.. tsy mihomehy akory aza izahay,, mibaribary fa tsy fitaratra amin'izany intsony izahay ankehitriny  

— Beatriz Bonmatí (@b_bonmati) 23 Septambra 2013

@marianorajoy  mila baolina kitra betsaka kokoa izahay, ilaina maika io!: mampiseho an'i Espaina lavitry ny lohalaharana ny fandaharana vaovao momba ny fahasambarana http://t.co/kNJqZKXZDZ

— Hrœrekr (@iGNUrante) 23 Septambra 2013

IZA NO MIHEVITRA FA MAHAGAGA IZANY???? RAHA IZAO NO MITOHY DIA HO ANY AMIN'NY LAHARANA FAHA-112 ISIKA AO ANATIN'NY VOLANA VITSIVITSY MONJA… http://t.co/ppWpTHl9TZ

— AutonomosEnLaLucha (@UNI_CAES) September 23, 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.