Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

19 Mey 2013

Tantara tamin'ny 19 Mey 2013

Efraín Ríos Montt Voaheloka Ho Namono Olona Sy Nanao Heloka Bevava Tamin'ny Olombelona

Voaheloka ho namono olona sy nanao heloka bevava tamin'ny olombelona i Efraín Ríos Montt mpanao didy jadona taloha tany Goatemalà. Voaheloka 80 taona an-tranomaizina ilay Jeneraly 86 taona. Io didim-pitsaràna ohatra io no mpisava làlana ho an'ireo tsy fifanarahana rehetra mbola misy ankehitriny eto ambonin'ny tany..

Mpitarika Vaovao Ho An'ny Mpilalao Cricket West Indies

Nampahafantarin'ny Komitin'ny mpitantana ny lalao Criket any Indies Andrefana ny ekipany ho any amin'ny Champions Trophy an'ny Filankevitra Iraisam-pirenena ho an'ny lalao Cricket (ICC) , saingy izay tena maresaka ao amin'ny faritra dia ny fanapahan-kevitra hanoloana an'ilay St. Lucian Darren Sammy amin'i Dwayne Bravo teraka tany Trinidad ho mpitarika ilay...

Hongria : Mpanao Politika Namono Vady, Alika Jamba No Meloka

Novelesin'i József Balogh, mpanao politika iray amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna Hongroa ny vadiny ary tsaboina any amin'ny toeram-pitsaboana. Nambarany fa naronjon'ny alika jamban'ny fianakaviana izy, nefa ilay vehivavy nilaza fa novonoin'ilay mpanao politika izy. Mandinika ny momba ireo memes sy ny adihevitra nahatonga io olana io i Marietta Le.

Mitombo Ny Fihenjanana Eo Amin'ny Faritra Tsy Azo Dikaina Ao Moldova-Transnistria

Nitombo ny fihenjanana nandritra ny alin'ny 26-27 Aprily tany amin'ny Faritra Tsy Azo Dikaina ao amin'ny Repoblikan'i Moldova, satria nametraka toby roa fanarahamaso tsy nifampieràna eo anelanelan'ny vohitr'i Varniţa sy ny tanànan'i Bender ireo manampahefana Transnistriana. Mitatitra i Diana Lungu.

Mahalasa Adala An'i Sina Ny Volamena Mora Vidy

Nolanian'ireo mpizahatany avy any Shina, voasariky ny vidin'ny volamena izay nitontongana, ny volamena tany amin'ireo banky sy fivarotana firavaka any Hong Kong nandritra ny faran'ny herinandro natao ho an'ny metaly lafovidy.

Hafatry Ny Peroviana Ho An'ny Filoha: Tsy Azo Ifampiraharahana Ny Zonay Ao Anaty Aterineto

GV Mpisolovava

Ny nahatonga ireo tambajotranà ONG Peroviana fanta-daza, isan'izany ny RedGE sy ny Hiperderecho, hanao fanentanana hitaiana amin'ny Filoha Ollanta Humala Tasso hametraka fetra maza sy tsy azo hifampiraharahana, mba hahafahana matoky fa voahaja ny zo fototry ny Peroviana ao anatin'ny TPP. Mety hanamafy kokoa ny endriky ny lalàna Peroviana momba...

Olon'ny Tantara Foronina Ve No Tena Malaza Amin'ireo Mpirotsaka Ho Filoham-Pirenena Ao Iran?

Tsy manome vintana ho an'ireo mpirotsaka ho fidiana natolotry ny mpanohitra mihitsy ny tàna-maherin'ny fitondrana iraniana, saingy anaty tontolon'ny virtoaly, mpandray anjara iray vaovao aminà tantara an-tsary no loha-laharana amin'ny fifidianana malalaka sy tsy mitanila.

Palestina: Mihinana KFC (Kentucky Fried Chicken) Koa Izao Ny Ao Gaza

Anas Hamra, Palestiniana avy any Gaza, manamafy fa azony ihany ny Kentucky Fried Chicken (akoho voaendy) nafàrany - taorian'ny ora fito niandrasany. Ny tantarany dia manamarina tatitra iray tao amin'ny New York Times izay milaza fa avy any Al Arish, any Ejipta, no aterina ny KFC ho an'ny mponin'i Gaza,...

Yemen : Tsindrim-peo mikasika ny fampianarana!

Amin’ny firenena iray izay manakaiky ny 40 isan-jato ny tahan’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eo amin’ny lahy sy vavy (15 taona no miakatra), ny fampianarana sy ny fandrisihana ireo vehivavy sy ny tanora dia tsy maintsy ilaina mba hisian’ny fampandrosoana mivaingana ao Yemen. Milaza ireo mpikatroka mafàna fo ny...

Nihodinan'ny Vohikala Sosialy Shinoa Ny Sivana Mba Hanomezam-boninahitra Ilay Mpitondra Fiovàna Hu Yaobang

Nihodinan'ireo Shinoa mpampiasa aterineto ny sivana aterineto hentitra any amin'ny fireneny mba hanomezam-boninahitra an'ilay mpitarika antoko kaominista taloha sady mpitondra fiovàna fanta-daza, Hu Yaobang, izay nitarika ireo fihetsiketshehana tany amin'ny Kianjan'i Tiananmen ny fahafahatesany 24 taona lasa izay.