Palestina: Mihinana KFC (Kentucky Fried Chicken) Koa Izao Ny Ao Gaza

Anas Hamra, Palestiniana avy any Gaza, manamafy fa azony ihany ny Kentucky Fried Chicken (akoho voaendy) nafàrany – taorian'ny ora fito niandrasany. Ny tantarany dia manamarina  tatitra iray tao amin'ny New York Times izay milaza fa avy any Al Arish, any Ejipta, no aterina ny KFC ho an'ny mponin'i Gaza, toerana izay anaovana azy ireny varomaizina mandalo tonelina miafina.

Taorian'ny namandrihany ny sakafony, mivazivazy izy [ar]:

راحت علينا الكنتاكي الحكومة صادرت وجبتي يفضح عرظها

.@AnsRed: Very ny Kentucky sakafonay. Nogiazan'ny governemanta ilay izy, manafintohina ity izy [ny governemanta].

Manampy izy avy eo:

تم الإفراج حسب الإتصال عن 100 وجبة كنتاكي من لجنة الأنفاق التابعة لحكومة حماس الان وجبتي قادمة تباً خوفتيني عليكي يا وجبة!

@AnsRed: Nilazàna an-telefaonina aho fa sakafo Kentucky 100 no navotsotry ny komitin'ny tonelina eo ambany fitantanan'ny governemantan'i Hamas amin'izao fotoana izao ary an-dàlana ny ho tonga ny sakafoko. Efa niasa saina aho mikasika ny sakafoko.

Anas Hamra, from Gaza, claims he got his KFC after a seven hour wait

Anas Hamra, Palestiniana avy any Gaza, manamafy fa azony ihany ny Kentucky Fried Chicken nafarany – taorian'ny ora fito niandrasany.

Ary manohy izy:

@AnsRed: MIANDRY hatrany aho, ny marina dia ho azoko ilay izy ary ho sakafo marainako amin'ny andro manaraka! Sento!!

Rehefa azony ny anjara sakafony nony farany, nozarain'i Hamra tao amin'ny tumblr sy Instagram ny sariny.

Tao amin'ny Instagram, maro no nanontany raha toa ka marina ny voalaza ao amin'ny lahatsorany ary manamafy i Hamra fa namandrika sakafo KFC ho an'ny fianakaviana izy. Ny fahitany ny sakafo?

Toy ny KFC -n'i Ejipta mampihomehy saingy mangatsiaka

Mohammed Hassona, avy any Gaza, mibitsika [ar] hoe:

أكل الكنتاكي علينا حق #غزة

@impalestinian: Zonay ny mihinana Kentucky #Gaza

Ary manao sarinteny i Michael Heaton:

@MichaelHeathon5: Kentucky Fried Chicken ao Gaza? Tsy ampy an'ireo vahoaka ireo ve ny hirifiry efa nahazo azy?

Kanefa, ny pejy Facebook-n'ilay orinasa izay misahana ny asa fanaterana dia efa nanambara ny tsy hitohizan'ny fanaterana intsony :

زبائننا الاعزاء : تم ايقاف طلبيات الكنتاكي وذلك لظروف خارجة عن ارادتنا… شكرا لاهتمامكم جميعا بهذا الموضوع

Ry mpanjifa hajaina,

Ny fanaterana ny Kuntucky isam-baravarana dia najanona noho tsy azonay anoharana. Misaotra anareo rehetra noho ny fahalinananareo tamin'ity lohahevitra ity.

Farafaha-ratsiny, mba afaka nihinana ny KFC-ny i Hamra ary nibitsika sy nandefa tamin'ny Istagram ny zava-niainany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.