Tsy manome vintana ho an'ireo mpirotsaka ho fidiana natolotry ny mpanohitra mihitsy ny tàna-maherin'ny fitondrana iraniana, saingy anaty tontolon'ny virtoaly, mpandray anjara iray vaovao aminà tantara an-tsary no loha-laharana amin'ny fifidianana malalaka sy tsy mitanila.
An-jatony amin'ireo Iraniana feno fanantenana no nisoratra ho kandidà mba hisolo ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad amin'ny fifidianana ho avy ny 14 Jona 2013. Hifidy ny lisitry ny kandidà izay hihazakazaka marina amin'io fifidianana io ny Filankevitry ny Mpambina izay tena fatra-mpandàla ny nentin-drazana.
Zahra Ho Filoha
Maro no mbola mahatadidy ilay hetsi-panoherana goavana izay nipoaka taorian'ny fifidianana ny 2009. Ilay tranonkala mavitrika United4Iran ary ny andiana sarimiaina Zahra's Paradise no nandefa ny fanentanana virtoaly Zahra Ho Filoha 2013 mba hamelabelarana ny fahapotehan'ny rafitra ara-politikan'i Iran tamin'ny alàlan'ny esoeso.
Olo-malazan'ny sarimiaina iray higagàna i Zahra izay ny zanany lahy 19 taona, Mehdi, dia nanjavona tsy hita taorian'ny fandraisana anjara tamin'ny hetsi-panoherana ny vokam-pifidianana tany Iran ny 2009. Ny fanentanany dia mivoatra anaty kisary efa-joro mivoaka isan-kerinandro ao amin'ny tranonkala Vote4Zahra.org.
Ity ny hafatra hafatra amin'ilay fampielezan-kevitra virtoaly:
Ny 2009, Zahra sy ny fianakaviany, dia niara-nizotra taminà vahoaka iraniana an-tapitrisany nankeo amin'ny arabe mba hitaky fifidianana tsy mitanila sy malalaka. Na teo aza ny famoretana mahery vaika, ny fampanantenana hisian'ny Lohataona Iraniana — Demaokrasia, ny fahamendrehana, ary ny fahamarinana — dia tsy mbola ato ho ato akory no hahafatesany . Androany, mihazakazaka ho Filoha i Zahra, ilay fanantenan'ny andro vaovao. Manaraha azy. Ndao haverintsika handresy ny Iran-ntsika.
The Right to a Free and Fair Election … Ny Zo hànana Fifidianana Malalaka sy sy Mitanila
People from around the world, including Iran, have uploaded their photos on the Facebook page for Zahra's Paradise….. Ny vahoaka manerana izao tontolo izao, ao anatiny i Iran, dia nampàkatra ny sarin'izy ireo tao anaty pejy Facebook-n'i “Zahra's Paradise”.

Fampielezan-kevitr'i Zahra tany Iran
Ny sasany nandefa ireo sary miaty teny faneva tsotra saingy sarotra tanterahana: “Manana zo hànana fifidianana malalaka sy tsy mitanila aho”:

Firuzeh Mahmoudi, ilay mpiara-mamorona ny United4Iran
Tsy Manadino Ireo Bilaogera i Zahra
Milaza i Zahra fa nampiditra am-ponja sy nampijaly bilaogera, mpanao gazety sy ireo fianakaviany, ny hery fiarovana.

Fampielezan-kevitr'i Zahra ho an'ny bilaogera.
Mampahatsiahy antsika fahamarinana iray mampalahelo ny faampielezan-kevitr'i Zahra. Efatra taona lasa izay, vahoaka Iraniana an-tapitrisany no nino fanovàna, nandatsa-bato ho an'ireo kandidà tena izy, ary ny sasany aza nanao sorona ny ainy. Ankehitriny, mpisehatra anaty sarmiaina no mipoitra ho kandidà mahasarika indrindra ho an'ny sasany.