28 Mey 2012

Tantara tamin'ny 28 Mey 2012

Maoritania: Niteraka adihevitra ny famonoan'ny Al Qaeda

Nanohina ny fon'ny vahoaka Maoritaniana maro ny nahita ilay lahatsary tao amin'ny YouTube izay nivoaka [ar] tao amin'ny bilaogin''ilay Maoritaniana antsoina hoe Al Akhbar tamin'ny faha 12 Mey 12. Hita tao anatin'io lahatsary io ny famotorana nataon'ny Al Qaeda ilay lehilahy teratany Maoritaniana 40 taona. Nanendrikendrika azy ho nanao asa fitsikilovana izy ireo. Novonoina izy avy eo.

28 Mey 2012

Fitaovana Asongadina: Ny “Mobile In A Box”

Rising Voices

Miaraka amin'ny fielezan'ny finday any amin'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika sy zara raha voasolo tena, ilain'ireo olom-pirenena mpanao gazety sy mafana fo ny mianatra ny fampiasàna sy ireo tetikady mikasika ity teknolojia mihanaka be erak'izao tontolo izao ity. Ny Mobiles in-a-box izay an'ny Tactical Technology Collective, dia tahirinà fitaovana sy torolàlana narafitra hanampy ireo fikambanana mpisolovava sy mafana fo hampiàsa ny teknolojian'ny finday anatin'ny asany.

28 Mey 2012