Tsy kivy mihitsy ireo mpanao fihetsiketsehana maro niady ho amin'ny fiarovana ny farihin'i Urmia ao Iran amin'ny fahasimbana maharitra mahazo ny tontolo iainana. Ny 21 May, 2012 dia mbola nanao antso ho an'ny governemanta indray ny mponina avy ao Urmia sy ireo avy amin'ny tanàna maro hafa tao amin'ny faritra Azerbaijan ao Iran mba hiaro ny Farihy Urmia izay miala aina, iray amin'ireo farihy masira lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao. Tao Khoy (sary etsy ambony) ireo mpanao fihetsiketsehana no nanantona sora-baventy teo aminà tetezana nilàza fa “ny fahafatesan'ny farihin'i Urmia dia fahafatesan'i Azerbaijan.” Bilaogera iray no nizara sariitatra milaza hoe “Ndao Hiaro ny Farihin'i Urmia amin'ny ranomasontsika.”
Indreto misy lahatsary roa nozarain'i mponina ao Iran momba ilay hetsika tao Urmia.
Fahatongavana Mpitandro ny filaminana maro be
Fiverenan'ny fanafihan'ny polisy