Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny Fifidianana ao Ejypta 2011/2012.
Hiditra amin'ny fifidianana filoham-pirenena malalaka voalohany eo amin'ny fireneny ry zareo Ejiptiana. Ilay fifidianana dia natao ny 23 sy 24 May , ary ny fihodinana faharoa dia 16 sy 17 Jona raha ilaina.
Olona dimam-polo tapitrisa no ekena fa afaka ny hifidy. Raha toa ka filaharam-be no hita teny amin'ny toeram-pifidianana teny , toa vitsy nohon'ny tamin'ny fifidianana Parlemantera ny volana Novambra 2011 kosa ny fandrasaa anjara. Mety mampiseho ny fahadisoam-panantenana tsapan'ny maro amin'ireo kandidà ireo izany.
Mitondra fanehoan-kevitra momba ny havitsian'ny fandrasana anjara i Tarek Shalaby :
@tarekshalaby : Ny faha 19 Martsa [ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalampanorenana ], Tao anatin'ny filaharana nanodidina io sekoly io aho. Amin'izao fotoana izao tsy misy olona intsony eo . Angamba atsy ho atsy …
Ilay mpanao gazety Erin Cunningham dia naneho ny heviny mikasika ny fandraisana anjara tao Ismailia any avaratra atsinanan'i Ejypta :
@erinmcunningham : Ny fanaova-mofo tao afovoan'ny Ismailia no filaharana lava sy navitrika kokoa noho izay toeram-pifidianana rehetra hitako hatramin'izay. #Egyelex #breadpolitics
Nadine Sabry dia nanazava ny antony nahatonga ny fandraisana anjara ho vitsy :
@nsabry : Ny tena iraisana aloha dia ny toetr'andro . Tamin'ny farany teo dia tamin'ny 2 ora tolakandro teo aho no nandeha nihodinkodina tany saingy tsy handeha ho any kosa androany raha tsy amin'ny 6:30-7 rehefa amin'ilay tsy misy olona & mangatsiaka kokoa iny
Emirati Sultan Al Qassemi dia mitsidika an'i Cairo, ary naka ito sary ito :

Filaharana be ho an'ny lehilahy teny amin'ny toeram-pifidianana tao amin'ny sekoly Orman tao Dokki. Sary nakarin'i @SultanAlQassemi.
Kareem Hosemao Cairo nilaza hoe :
@akaHoezy : Manonofy aho hoe any andro iray ny lehilahy& vehivavy afaka ny hiara-hijoro anaty laharana iray hifidy tsy amin'ahiahy. Ho tantara fahiny sisa ny resaka fanavakavahana. #EgyElex
Ilay mpanao gazety Adam Makary tao Suez dia nitondra antsika amin'ny fombafombam-pifidianana :
@adamakary : Voalohany , asehonao ny Karapanondronao mba hampitoviana ny laharanao amin'ireo voarakitra hifidy. Avy eo, manao sonia ianao #Suez #EgyElex
@adamakary : Dingana faharoa, raiso ny vatom-pifidiananao . #Suez #EgyElex
@adamakary : Dia miandry ianao… miaraka amin'ny vatonao sy ny peninao eny an-tanànao. #Suez #EgyElex
@adamakary : Aorian'ny fisafidiananao ny kandidà tianao, dia arotsakao ao amin'ny vata mihidy ilay izy. #Suez #EgyElex
@adamakary : Farany, raisinao ny Karapanondronao, ataovy anaty ranomainty volomparasy ny rantsan-tananao, ranomainty sarotra esorina ary avy eo mandeha ianao. #Suez #EgyElex
nifidy i Lilz , ary naneho hevitra hoe :
@Booky_Lillz : Misy olona hafa naneho tsy fahazakàn'ny hodiny an'ilay ranomainty ve? Tahaka ny efa miha-mangidihidy aho! #EgyElex #EgyPresElection
Nadeen Hafez tao Cairo dia nifidy tamim-pifaliana :
@NadeenHafez : Nandany ora 3 sy sasany aho nifidy. Tena mendrika sy nilaina mihitsy izany. Izany rehetra izany ho anao, ry Ejypta! #EgyElex #PresidentialElections
Omar Elimam dia tsy mino ny fiovana ao Ejypta :
@elimam_o : Apetrako fotsin, mbola tsy azoko mihitsy hoe andeha hifidyny ho filohan'i #Egypt aho. #egyelex
Ilay mpanoratra ao amin'ny BBC faritra Afovoany Atsinanana, Jeremy Bowen, dia niresaka tamin'ireo mpifidy :
@jfjbowen : Nanontany vehivavy iray teo an-daharna aho hoe hafiriana no efa niandrasany izao. 30 taona hoy izy sady nihomehy mafy izy #EgyPresElection
Raha mila mahafantatra bebe kokoa mikasika ny fifidianana filoha, jereo ity Storify an ‘i Asteris Masouras ity.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny Fifidianana ao Ejypta 2011/2012.