20 Marsa 2012

Tantara tamin'ny 20 Marsa 2012

Meksika: Tezitra Tamin'ny Kandidà Vázquez Ny Mpianatry ny Oniversite

  20 Marsa 2012

Tokony hitandrina amin'ny fomba fiteniny amin'ny vahoaka ny kandidà hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ankehitriny ao Meksika, farafaharatsiny hatramin'ny volana Jolay 2012, hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena. Fahadisoana kely na fanambarana diso fandray dia mety hampihemotra ny mpifidy amin'ity taom-pifidianana ity. Josefina Vázquez Mota, kandidà vehivavy tokana nirotsaka hofidiana, no tratran'ny tsy fifankahazoan-dresaka...

Torkia: Mbola Migidraka Amin'ny Kiorda Mankalaza Newroz Ihany Ny Polisy

Ny vahoaka Kiorda no foko maro an'isa indrindra any Torkia, fa mandrafitra ny 20 isan-jaton'ny mponina, izay manakaiky ny 20 arivoarivo izany. Tratran'ny fanavakavahana avy amin'ny fanjakana izy ireo ary itsakitsahana ny zony. Androany, tao Yuksekova, izay distrika any amin'ny faritany Tiorka antsoina hoe Hakkari, dia notafihana noho ny fivborivoriana fankalazana ny Newroz - izay taombaovaony ny Kiorda

Panama: “Ngäbe Aho, Bugle Aho, Panameana Aho”

  20 Marsa 2012

Noho ny tambajotra sosialy, tazamaso indrindra noho ny taloha ny tolona ataon'ny vazimba teratany Ngäbe-Bugle tamin'ity taona ity. Tamin'ny Febroary, araka izay notaterin'i Ariel Moreno tato amin'ny Global Voices, nobahanan'ny vondron'olona Ngäbe-Bugle ny lalambe migodàna Pan-American ho fanoherana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany sy “ho fangatahana amin'ny governemanta hanatanteraka ny...

Kioba: Resaka Momba Ny Kaonty Twitter an'i Yoani Sánchez

  20 Marsa 2012

Ny 26 Febroary 2012, lahatsoratra iray ho fanehoana fomba fijery [es] nivoaka tao amin'ny gazety iray mpivoaka isan'andro ao an-tananan'i Mexico , La Jornada, no nanondro ilay Kiobana bilaogera Yoani Sánchez ho "hosoka" noho ny haavon'ny hetsika ataony sy ny lazany ao amin'ny Twitter.. Miraradraraka ny fanakianana sy ny fanohanana.