Tokony hitandrina amin'ny fomba fiteniny amin'ny vahoaka ny kandidà hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ankehitriny ao Meksika, farafaharatsiny hatramin'ny volana Jolay 2012, hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena. Fahadisoana kely na fanambarana diso fandray dia mety hampihemotra ny mpifidy amin'ity taom-pifidianana ity.
Josefina Vázquez Mota, kandidà vehivavy tokana nirotsaka hofidiana, no tratran'ny tsy fifankahazoan-dresaka sy fahatezerana teo amin'ireo Meksikana ny fanambarana nataony, indrindra teo amin'ny mpianatra eny amin'ny oniversite, raha nanonona ny anaran'ny oniversite nahazoany mari-pahaizana bakalorea izy, ny Ibero-American University.
Tao amin'ny Foibem-pampianarana Teknolojia Tsy Miankina ao Meksika (ITAM) no nitrangan'izany, raha nitafa tamin'ireo mpianatra izy. Nandritra ny kabariny, nanambara izy fa ny fahalemeny dia noho ny fianarany Toekarena tao “Ibero”: “No soy perfecta, estudié en la Ibero” (“Tsy tonga lafatra aho, nianatra tao Ibero aho”.) Nitokelaka sy nihoraka avy hatrany ireo mpianatra avy ao amin'ny Oniversite ITAM.
Pulso Ciudadano nanazava ny zava-niseho:
Durante la Conferencia Magistral brindada en el Instituto Tecnológico Autónomo de México (ITAM) Josefina Vázquez Mota indicó que no era perfecta y que había estudiado la Licenciatura de Economía en la Universidad Iberoamericana ¿Cuál es el criterio de la candidata presidencial para determinar qué universidad es más que otra? ¿Ese criterio debería de influir en la forma en que se dirige a los jóvenes universitarios del país?

Josefina Vázquez Mota nandritra ny tafatafa tamin'ny mpanao gazety. Sary avy amin'i Luis Ramon Barron Tinajero, Copyright Demotix.
Tsy niandry ela ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Tambajotra Sosialy, mikasika ny #josefinahumillaylahumillan, “Itam” ary “Ibero” izay nalaza haingana tao amin'ny Twitter.
Fernanda Familiar (@qtf) nanoratra momba ny lohahevitra:
Y Josefina Vázquez Mota, remata ayer, contra la Ibero… “No soy perfecta, estudié en la Ibero”.
Daliri Oropeza, (@Dal_air), mpianatra ao amin'ny oniversite Ibero-Amerikana nilaza hoe:
Puedes seguir con tu discurso vacío, pero por favor, no lo relaciones con la UIA,
@JosefinaVM#Ibero
Tsy nitongilam-pijery ny mpianatra sasany ao amin'ny oniversite ITAM, tahaka an'i @panchparra:
ITAMitas hagamos valer nuestro auditorio, la comunidad
@MundoITAM con actitud critica y academica#JosefinaITAM
Marco Antonio Gómez Lovera, mpamahana bolongana ao amin'ny Vivir México, nanambara fa nivazivazy fotsiny ilay kandidà, satria karazana fomba fitenin'ny tanora izany:
Es claro que comentarios como estos pueden llegar a herir isensibilidades, pero también se debe entender que entre jóvenes que se expresan así, el comentario intentaba ser una manera de romper el hielo y conectar con el auditorio. ¿Que lo pudo haber hecho de manera diferente? Sí, también.
Genaro Lozano, (@genarolozano) mpampianatra any amin'ireo oniversite roa ireo niaiky fa mety mba nivazivazy tahaka izany ihany koa izy amin'ireo toeram-pampianarana roa ireo, mba hanomezana toky fotsiny ho an'ireo mpianatra:
Ah y claro, igual que JVM yo también siempre hago bromas con mis alumn@s del ITAM y de la Ibero sobre un@s y otr@s. Para motivarlos. :p
Farany, Josefina Vázquez Mota (@Josefina VM) namaly ny tsikera tamin'ny alalan'ny kaontiny ofisialy Twitter:
Lamento que algunas personas deseen desvirtuar un comentario que jamás tuvo el propósito de lastimar a mi alma máter.
Farany, tamin'ny fandaharana tao amin'ny onjam-peon'ny Ibero, Triste Turno, nilaza fa vazivazy fotsiny ihany izany ary raha mbola nateraka indray izy, dia hianatra ny taranja Toekarena ao amin'io oniversite io ihany.