Brezila: Niteraka Hetsi-panoherana sy Fanehoan-kevitra ny Fahafatesan'ilay Mpitondra Bisikileta

Ny marainan'ny 2 Martsa 2012, maty voahitsaky ny fiara fitateram-bahoaka  tao amin'ny arabe lehibe ao São Paulo, Avenida Paulista i Juliana Dias 33 taona raha iny nitondra bisikileta handeha hiasa iny. Nanaitra mafy ny mpiaro ny zon'ny mpandeha bisikileta izany tranga nahazo azy izany, ka niteraka hetsika tampoka manerana ny tanàna sy nitarika adihevitra tao amin'ny firenena.

Bilaogy Beirut Walls nitantara ny fandehan'ny loza mampalahelo:

كانت جولي تسير على الجهة الصحيحية كما تفعل كل يوم وهي في طريقها الى العمل، بين الجهة المتعارف عليها للباص والجهة المخصصة لمرور السيارات. ضايقتها سيارة وكسرت عليها. فعل معها الأمر نفسه سائق باص، فاحتجت. أصرّ سائق الباص بالمضايقة فأوقعها أرضاً عن قصد، ليأتي باص ثاني ويدهس رأسها.

يقول أهالي منطقة باوليستا أن السائق الذي دهسها، ولم يكن ذلك ذنبه، كان صديقها بالسير؛ فهم كانوا يتبادلون التحية كل صباح عند ما يلتقون في الطريق.

تم سجن سائق الباص الأول بتهمة القتل الغير متعمد.

Tribute to Juliana Dias. Source: Beirut Walls blog (used with permission)

Tribute to Juliana Dias. Source: Beirut Walls blog (used with permission)

Nitondra bisikileta tamin'ny làlana fandehanany araka ny fanaony isan'andro rehefa handeha hiasa i Julie, eo anelanelan'ny lalan'ny fiara fitateram-bahoaka sy ny fiara tsotra izany. Nisy fiara nila kisa taminy anefa ka nitsofoka nisisika tamin'ny lalana falehan'ny bisikiletany avy eo. Toy izany ihany koa no nitranga tamin'ilay mpamily fiara fitaterana iombonana, saingy nanohitra i Julie. Mbola nanohy nila vaniny taminy ihany anefa ilay mpamily, ka nodominy nianjera izy avy eo, vokatr'izany, voahosin'ny fiara fitaterana iray manaraka tao aoriana ny lohany.

Nilaza ny mponina ao Paulista fa naman'i Julia ihany ilay mpamily nanitsaka azy (izay tsy azy ny fahadisoana); mifampiarahaba foana izy ireo isaky ny maraina rehefa mihaona eny an-dalana.

Nosamborina ny mpamily ilay fiara fitaterana voalohany, voampanga ho namono olona tsy nahy

Araka ny tarehimarika tamin'ny taona 2010 avy any amin'ny manampahefana misahana ny fifamoivozana ao São Paulo, mpitondra bisikileta iray isan-kerinandro no mamoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivozana ao São Paulo.

Leonardo Sakamoto, mpampianatra momba ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny oniversite PUC ao São Paulo, nanoratra tao amin'ny bilaoginy:

Mais uma ciclista morreu atropelada em São Paulo. Novamente por um ônibus, novamente na via que é o símbolo do progresso, novamente gerando um protesto de pessoas que defendem que a cidade pertença a todos. E, novaamente, criando indignação pelo congestionamento que tudo isso trouxe.

Mpitondra bisikileta iray indray no namoy ny ainy rehefa avy voahitsaky ny fiara ao São Paulo. Ary mbola tamin'ny fiara fitaterana ihany, sy mbola teo amin'ny làlana izay manamarika ny fandrosoana ihany koa, ka mbola niteraka hetsi-bahoaka izay manamafy fa ny olona rehetra no tokony ho tompon'ny tanàna. Ary koa, niteraka fahatezerana noho ny fitohanana naterak'izany rehetra izany

Tsy ny fiara tsotra no tompon'ny arabe

Cars are not the owners of the roads. Source Beirut Walls blog (used with permission)

Tsy ny fiara tsotra no tompon'ny arabe. Avy ao Beirut Walls blog (used with permission)

Bilaogy Beirut Walls nanoratra fohy ny zava-nitranga farany mikasika ny lalàna sy ny fankatoavan'ny monisipaly ny fandehanan'ny bisikileta amin'ny lalana mahitsy:

في العام ٢٠١١ أخفض كساب الميزانية المخصصة للنقل العام الى نصف ما كانت عليه في الـ ٢٠١٠ ومع ذلك وعد كساب عندما تولى منصب رئيس بلدية ساو باولو في عام 2009، ببناء 100 كيلومتر من مسارات الدراجات والممرات. حتى الآن، تم فتح 76 كم، ولكن 20٪ فقط من لهم علاقة بالبنية التحتية محددة لراكبي الدراجات وذلك في خامس أكبر مدينة في العالم حيث عدد السكان يتجاوز العشرة ملايين، وحيث عدد السيارات الخصوصية عالي جدا بالنسبة للمدينة مما يؤدي إلى عرقلة حركة السير وتأخير المواصلات العامة. في 7 مارس/آذار 2012 أقر كساب القانون الذي يؤسس لإنشاء نظام سير للدراجات الهوائية يتضمن طرق، ممرات ومسارات خاصة للدراجة وأماكن مخصصة لركنها.

Tamin'ny taona 2011, nahenan'i Kassab [ben'ny tanàna ao São Paulo] ny vola natokana ho an'ny fitateram-bahoaka, raha oharina tamin'ny taona 2010; na dia izany aza, raha vao lasa ben'ny tanànan i São Paulo i Kassab tamin'ny taona 2009, nilokaloka izy fa hanamboatra arabe  sy lalana mirefy 100 kilometatra. Hatramin'izao anefa, 76 kilometatra ihany no mbola nosokafana, saingy ny 20% amin'izany dia mikasika ny fotodrafitrasa natokana ho an'ny mpandeha bisikileta. Tanàna faha-dimy manerantany ahitana vahoaka mihoatra ny folo tapitrisa , izay mitombo be ny isan'ny fiaran'olotsotra ao an-tanàna, ka miteraka fitohanana sy fahataran'ny fiara fitaterana. Tamin'ny 7 Martsa, namolavola lalàna izay mitondra amin'ny fametrahana tambazotra tokana i Kassab, tafiditra amin'izany ny arabe, ny làlana, lalana fandehan'ny bisikileta ary toerana fijanonana manokana

Ankoatra izany tamin'ny 17 Febroary, namoaka sombina vaovao mahafaly ho an'ny mpandeha bisikileta ny bilaogy Eu vou de Bike (Handeha hitaingina bisikileta aho):

A melhor notícia da semana para quem mora em São Paulo foi divulgada sem muito alarde na última quarta-feira. Segundo reportagem da Folha de S. Paulo, a cidade vai receber um sistema de compartilhamento com TRÊS MIL bicicletas espalhadas por 3 00 estações

Tamin'ny Alarobia lasa teo, navoaka tsy nisy fitabatabana ny vaovao mahafaly tao anatin'ny herinandro ho an'ireo izay monina ao São Paulo. Araka ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Folha de São Paulo, hametraka rafi-pifampizarana bisikileta TELO ARIVO aparitaka manerana ny toby 300 ny tanàna

Nisy  ny rindran-tsary navoaka tao amin'ny bilaogy Beirut Walls mba ahafahana manao hetsika sy mijery akaiky ny tranga mahazo ny mpandeha bisikileta ao an-tanànan'i São Paulo:

Let me use the bicycle as a means of transport / Only bikes save / Your car and your hurry can kill / 60 km per hour in Paulista is a crime. Source Beirut Walls blog (used with permission)

Avelao aho hampiasa bisikileta ho toy ny fiara fandehanako /Bisikileta ihany no mahavonjy / Mety hamono ny fiaranao sy ny fahamehanao / heloka ny fandehanana 60 km isan'ora ao Paulista. Avy amin'ny bilaogin'ny Beirut Walls (nahazoana alalana)

Fanampin'izany, bilaogy Cidades para pessoas (Tanànan'ny vahoaka) nanome hevitra tsara ny amin'ny tokony hanaovana fanentanana mikasika ny zon'ny mpandeha bisikileta ao an-tanàna, amin'ny alalan'ny fametrahana anaty sarintany ny lozam-pifamoivozana momba ny bisikileta ao São Paulo:

A proposta de criação desse mapa colaborativo foi postada na plataforma Cidade Democrática, onde podemos recrutar mais ajudantes para aperfeiçoá-lo. Com o tempo esse mapa vai se tornar um documento informal e pode ser usado como instrumento de demanda por mais segurança para os ciclistas ao poder público – além de ser um importante registro democrático e transparente dos acidentes na cidade. Em uma pesquisa encontramos mapas existentes que já mapearam os acidentes fatais envolvendo ciclistas em São Paulo nos anos de 2006, 2007 e 2008. Por isso é importante que juntemos esforços para tentar levantar os acidentes a partir de 2009.

Nalefa tao amin'ny sehatra Tanàna Demokratika izany soso-kevitra momba ny fametrahana anaty sarintany iasana miaraka izany, izay ahafahantsika mitady olona hiasa hanampy amin'ny fanatsarana. Any aoriana any, ho lasa tahiry tsotra izany sarintany izany ary azo ampiasaina ho toy ny fitaovana hitakiana amin'ireo manampahefana mba hiantoka tsara ny fiarovana ireo mpandeha bisikileta – ary mba ho tahiry lehibe demokratika koa sy mangarahara mikasika ny lozam-pifamoivozana amin'ny bisikileta ao an-tanàna. Tamin'ny alalan'ny karoka nataontsika no nahitana fa ny loza mahatsiravina indrindra mikasika ny mpandeha bisikileta ao São Paulo dia efa noraiketina tamin'ny sarintany tamin'ny taona 2006, 2007 ary 2008. Arak'izany, tsara raha mitambatra hatrany isika mba hijerena sy hanombanana ny loza niseho nanomboka ny taona 2009.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.