Tantara tamin'ny 20 Marsa 2011
Bolgaria: Manolotra Fampiantranoana Ho an'Ireo Japoney Niharan'ny Horohorontany
Lasa loza iraisan'ny manerantany ny horohorontany tany Japana. Voaporofon'ny fahavononan'ireo vahoaka avy amin'ny firenena sy kantinanta samihafa te-hanampy ireo tra-doza tamin'ilay fihetsehana, izay nahafatesana ain'olona an'arivony maro. Mitatitra ny fandraisana andraikitra anaty aterineto ataonìireo Bolgara i Ruslan Trad.
Haiti: Marainan'ny Fifidianana an-tsary
Androany, 20 Marsa, hamonjy ny biraom-pifidianana ny Haisiana hanapa-kevitra izay ho filohan'ny Firenena Karaiba manaraka. Tsy eken'i Mirlande Manigat sy i Michel Martelly, ireo Kandidà roa heverina ho nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin'ilay fifidianana nahabe resaka notontosaina tamin'ny volana novambra farany teo, moa ity fifidianana anio ity. Ny tatitra androany maraina avy amin'ny mpampiasa Twitter any an-toerana any Haiti moa dia nilaza ny fahataran'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana, raha ny maro ampitan-dranomasina kosa dia mifantoka tamin'ny nitifirana akaiky dia akaiky ilay mpihira rap teraka Haisiana Wyclef Jean, mpanohana an'i Martelly. Indreto manaraka ireto ny sary voafantina nivoaka tao amin'ny Twitter tany Haiti tamin'ny ora nisokafan'ny biraom-pifidianana—na ny fikasana hanokatra azy—tamin'ny maraina.
Arabia Saodita: Nampanantena Volabe Ny Saodiana Ny Mpanjaka
Volabe no nampanantenaina ny Soadiana androany (18 Martsa 2011), taorian'ny teny nataon'ny Mpanjaka Abdulla ho an'ny firenena. Tanatinà teny fohy, ilay Mpanompon'ireo Trano Masina Fivavahana roa dia nisaotra ireo mpisorona, ny mpanoratra ary ny Ministeran'ny Atitany noho ny ezaka nataon'izy ireo hiarovana ny fanjakana. Filazàna sy didim-panjakana avy eo no nanaraka fa hoe volabe an-davitrisa no hatondraka ho an'ny Saodiana.
Syria: Fihetsiketsehana manerana ny firenena, 6 ireo namoy ny ainy tao Dara'a
Syria indray no firenena farany isiana fihetsiketsehana lehibe manerana an'i Afovoany Atsinanana (Moyen Orient). Raha tsy nahomby ny fiantsona hihetsika tamin'ny 5 febroary teo, dia nahavory vahoaka an-jatony maro avy...
Japana: Mihevitra ny Anton'ny Fiainana
Navoakan'ny mpaham-bolongana maro izay mihevitra fa izany no tsara atao indrindra amin'izao fotoana izao ny poezia malazan'ilay Poeta Shuntaro Tanikawa "Miaina", izay mandalina ny dikan'ny fiainana.