Tantara tamin'ny 09 Febroary 2011
Ejipta: Fitohitohizan'ny fahatapahan'ny fifandraisana nandritra ny fihetsiketsehana 2011

25 Janoary 2011 no andro nidinan'ny vahoaka ejiptiana an-dàlam-be, tonga avy amin'ny faritra maro hanao fihetsiketsehana manohitra ny filoha Mubarak sy ny fitondràna eo an-toerana. Nafana ny fampiasan'ireo mafana fo...
Ejipta: Kintana iray no mamiratra ao an-kianjan'i Tahrir
Kianja Tahrir, ivon'ny hetsika goavana ao afovoan'i Kairo mangataka ny fialan'ny fitondran'i Mubarak, nahita ny isan'ny mpanao fihetsiketsehana betsaka indrindra androany ahtramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehan'ireo mpandàla ny demaokrasia 15 andro lasa izao..
Iran: Manohitra amin'ny anaran'ny Ejipta sy Tonizia
Ireo mpitarika ny fanoherana Iraniana, Mir Hussein Mousavi sy Mehdi Karubi, dia nangataka alàlana hanao famoriam-bahoaka ho fanohanana ny hetsi-panoherana any Ejipta sy Tonizia, amin'ny 14 Febroary (25 Bahman) raha ny voalazan'ny tranonkalan-dry zareo. Nanosika mafàna fo maro hametraka ny 'dian-tànana maitsony' eo anivon'ny aterineto ireo vaovao.
Ejipta: Andro faha-15 Mitohy ny hetsika goavana
Mitohy mampihovitrovitra an'i Ejipta manontolo ny hetsi-panoherana efa ho 15 andro misesy, mangataka ny hialàn'ny fitondran'i Mubarak. Raha mbola tsy mitsaha-mitombo ny olona tonga ao an-kianjan'i Tahrir ao afovoan'i Kairo, fitorevahana iray koa no mitohy eo ivelan'ny tranoben'ny Parlemanta. Androany koa, nanomboka ny fitokonan-dry zareo ny mpiasa; nanatevin-daharana ny mpanao fihetsiketsehana ny eny amin'ny ambaratonga ambony, ary nanomboka nahita ho lazaina ireo mpanao gazety Ejiptiana.
Syria: Facebook sy YouTube nalàna fatorana, ankoatr'ireo hafa koa
Nandritry ny taona maro ny aterineto tao Syria no nizaka sivana henjana. Ary ireo tranonkala tsy dia atahorana loatra toa ny Facebook, Youtube ary Wikipedia amin'ny teny Arabo dia azo nidirana ihany tamin'ny alalan'ny fampiasàna proxie sy fitaovana fandinganana samihafa. Toa efa niova izany androany. Manazava i Anas Qtiesh.