Syria: Facebook sy YouTube nalàna fatorana, ankoatr'ireo hafa koa

Nandritry ny taona maro ny aterineto tao Syria no nizaka sivana henjana. Ary ireo tranonkala tsy dia atahorana loatra toa ny Facebook, Youtube ary Wikipedia amin'ny teny Arabo dia azo nidirana ihany tamin'ny alalan'ny fampiasàna proxie sy fitaovana fandingànana samihafa. Nanàngana vondrona Facebook sy lisitra fifandefasana mailaka rahateo ireo Siriana mpampiasa aterineto mba hifampizaràna vaovao momba ireo proxies andiany farany, ary mahavita maka tombon-dahiny hatrany manoloana ireo mpanao sivana avy amin'ny governemanta.

Androany, ny Forward Magazine dia namoaka vaovao nampientanentana izay efa nandrasan'ireo Siriana an'arivony ho re; “Nanaisotra ny sivana tamin'ny Facebook i Syria.” Nambabo tokoa ireo tweets nalefan-dry zareo Siriana mikasika ilay vaovao ary nirohotra daholo nanambara–sy nanamarina–ny fahalalahana vaovaon-dry zareo indray. Ny fitarainan-dry zareo hoe  “Atoa. Filoha, arodany io rindrina io” dia nohenoina ihany nony farany; loharanom-baovao tsy mety ritra, fahafahana miditra anaty tambajotra, ary lahatsary mahatsikaiky nampakarin'ireo tranonkala izay voasakana teo aloha no efa azo jerena indray ankehitriny.

Image by Flickr user Azraiman

Sary avy amin'i Azraima mpampiasa Flickr

Abdulsalam Haykal, Siriana mpandraharaha iray sady endrika manana ny maha-izy azy, dia nanambàra sasantsasany tamin'ny votoatin'ilay vaovao mikasika ny baiko hanalàna ilay sakana:

Ho avoaka tsy ho ela ho an'ny besinimaro. Halàna amin'ny fomba ofisialy ny sakana mahazo ny #Facebook eto #Syria manomboka androany.

Basel Hamadeh manamafy:

#Facebook#youtube ary #Blogspot dia samy voamarina ny fisokafany ao  #Syria Efa manomboka mandray an-tànana azy io izao ireo FAI mpanome tolotra aterineto! 🙂

Adnan Homsi manampy zava-baovao hafa hitany ao anatin'ny lisitr'ireo nalàm-patorana:

و الويكيبيدا العربية كمان , شكلنا اخدنا وش و كترنا 😛
Ny Wikipedia amin'ny teny Arabo koa, efa manomboka mahazo aina tsara kosa isika izany an 😛

Ny sasany amin'ireo mpampiasa na izany aza dia tsy mbola afaka mahita ny fiovàna, saingy nalaky afak'ireo tweets nalefa ny ahiahin-dry zareo.. Wael Orabi nandefa tweet hoe:

@Seleucid resaka fotoana sisa, mila mampanaraka ny lohamiliny amin'ny zava-misy ireo mpanome tolotra aterineto, Manomboka rahampitso dia efa hipàka amin'ny tsirairay izany

Mifanahantsahana amin'izay, Bashar Kokash manazava ireo dingana:

@MazenMS angamba tsy mbola ny mpanome tolotra aterineto rehetra no efa afa-patorana, mampiasa STE aho izao ary tena mbola voasakana ilay izy

Seleucid dia safononoky ny hafaliana nentin'ilay vaovao, ary mihevitra izy fa nisy akony betsaka tamin'ny fanalàna ny sakana ny hetsi-panoheran'ireo mpandàla ny demaokrasia any Ejipta:

Tena tsy mino mihitsy aho hoe nanatri-maso zavatra mahafinaritra toy izao :’). Misaotra anao ry #Jan25, Misaotra anao. #Syria

Manampy izy:

لك الله حيو شعب مصر! فكوا حجب سوريا!!!!

Andriamanitra anie hitahy ny vahoakan'i Ejipta! Nalàn'izy ireo ny sàkana teto Syria!!!

Avy eo izy dia manohy miarahaba ny fisokafan'ny Youtube, ary mangataka ny governemanta Amerikanaa mba handeha manaraka ny hetsika amin'ny fanesorana ny sazy manakana an'i Syria tsy hahazo na inona na inona rindrankajy sy fitaovana namboarin'ny orinasa Amerikana, na dia ireo lazaina fa tsy mamoa-doza aza, ary hoy izy mamintina amin'ny fandalinana ny mety ho dikan'ireo fiovàna faramparany teto amin'ny firenena

Manova ny tontolonao ny fisokafan'ny Youtube… Mba mivazivazy aho e.

Nafahan'i Syria tamin'ny teritery rehetra isika. Fotoana izao tokony hanarahan'i Etazonia an'izany.

Izay zavatra atrehantsika eto Syria ankehitriny dia ny fahafatesan'ny mpiambina tranainy. Io dia mety hiteraka zavatra goavana noho izay maha fanalàna sàkana tsotra azy fotsiny.

Sary avy amin'i Azrainman, mpampiasa Flickr nampiasàna ny Creative Commons 2.0 Generic (CC by 2.0) license.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.