Iran: Manohitra amin'ny anaran'ny Ejipta sy Tonizia

Ireo mpitarika ny fanoherana Iraniana, Mir Hussein Mousavi sy Mehdi Karubi, dia nangataka alàlana hanao famoriam-bahoaka ho fanohanana ny hetsi-panoherana any Ejipta sy Tonizia, amin'ny 14 Febroary (25 Bahman) raha ny voalazan'ny tranonkalan-dry zareo.

Mametraka ny goverenmanta Iraniana ho eo anoloanana safidy manadala io, dia ry zareo izay vao avy niatrika hetsi-bahoaka herintaona lasa izay. Nanosika mafàna fo maro  hametraka ny ‘dian-tànana maitsony’  eo anivon'ny aterineto ireo vaovao, sady mizara ny heviny sy ny fanantenan-dry zareo vanim-potoana iray vaovao ho an'ny hetsi-panoherana Iraniana.

Pejy  Facebook 25 Bahman (14 Febroary) no natomboka tsy ela akory izay, ary efa olona 18.000 sahady no nanatevin-daharana. Ao amin'ity pejy ity dia misy vaovao azon'ireo mpanohitra avoaka printy sy aparitaka, ary lahatsary ahitana fampitam-bavao mikasika ireo hetsi-panoherana Ejiptiana.

Ny sary lehibe eto ambany dia manainga ny olona hanao hetsika ao Teheran amin'ny 14 Febroary, ary koa manipika ny andininy faha-27 ao amin'ny Lalampanorenana Iraniana izay manome fahalalahana hifamory tsy misy fitaovam-piadiana, ary rehefa tsy manohintohina ny fototra iorenan'ny Foto-kevitra Silamo ny fifamoriana.”

Poster calling to demonstration on February 14

Marobe ny olona nanoratra fanehoan-kevitra sy nizara ny fomba fijerin-dry zareo momba ny hetsi-panoherana kononkononina toy ny fanolorana sosokevitra hanaovana ho teny fanoitra ny kolikoly ara-toekarena ataon'ny fitondrana Iraniana, tsy misy valaka amin'ireo hetsika fanoherana any Tonizia sy Ejipta.

Ireo mafàna fo koa dia nandeha niasa tany aminà tanana lehibe maro toa an'i  Shiraz, Isfahan ary Tabriz foiben'ny pejyFacebook ao an-toerana.

Khodnevis mitatitra fa nanomboka nanoratra  hoe “25 Bahman, andron'ny hatezerana” amin'ny ravim-bola (vola taratasy) ireo mpanao fihetsiketsehana.

Sokhanesabz manoratra fa [fa]:

… telo andro mialoha ny 14 Febroary (25 Bahman) fetin'ny revolisiona, mila mihanika vovonana isika ka hikiaka ny hoe “Mbay tany ry mpanao jadona a”. Tokony hanomboka hampahafantatra ny vahoaka isika andro maro aty aloha fa tsy hoe ny alina mialoha ny hetsika fotsiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.