Ejipta: Kintana iray no mamiratra ao an-kianjan'i Tahrir

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Ejipta 2011.

Ongoing protests in Tahrir Square in Cairo by Nour El Refai

Fihetsiketsehana mitranga ao an-kianjan'i Tahrir ao Kairo amin'izao fotoana nalefan'i Nour El Refai © Copyright Demotix (8/2/2011)

Kianja Tahrir, ivon'ny hetsika goavana ao afovoan'i Kairo mangataka ny fialan'ny fitondran'i Mubarak, nahita ny isan'ny mpanao fihetsiketsehana betsaka indrindra androany hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehan'ireo mpandàla ny demaokrasia 15 andro lasa izao.

Isan'ireo mpanao fihetsiketsehana i  Wael Ghonim, mafana fo amin'ny aterineto sady mpitoraka bilaogy, izay nosamborina tamin'ny 27 Janoary, ary  nafàhana omaly alina.

Ghomin, izay notinendry ho mpitondra tenin'ireo mpanao fihetsiketsehana nanery ny governemanta hamotsotra azy, dia niteny tamin'ny vahoaka  tao an-kianja androany vao maraina:

Nivoady i Ghomin fa tsy maintsy hamaly faty ireo maritiora, olona vinavinaina ho 30 teo ho eo maty nandritra ny hetsi-panoherana. Nanainga ny mpanao fihetsiketsehana izy tsy hanadino azy ireny, sady nanampy fa ireo izay mamela ny ràn'izy ireny hiraraka an-tany ho toy ny tsy misy vidiny dia mpamadika.

“Efa fotoana ela aho no niteny, fa antsika ity firenena ity. Manan-jo eto ny tsirairay. Manana zo ianao. Fotoana izao ho antsika hitakiantsika ny zontsika,” hoy izy tamin'ireo olona marobe nitehaka nirefodrefotra.

“Ny fangatahanareo dia fangatahako. Ary ny zava-dehibe amin'izy ireo dia ny fialàn'ny filoha,” hoy izy nanampy raha ireo olona kosa niventy ny “Mialà! Mialà!”

Ghonim no ilay mpandrindra tsy nitonona anarana teo aloha an'ilay vondrona antsoina hoe  We Are All Khaled Said (Khaled Said daholo izahay rehetra) izay nanely ny antso ho fihetsehana manerana ny firenena hankany amin'ny fanovàna. Ilay vondrona dia nomena anarana  Khaled Said, tovolahy avy ao Alexandria novonoin'ny tànan'ny polisy. Ny fahafatesany, tamin'ny Jona lasa teo, no niteraka fihetsiketsehana goavana sy hatezerana manohitra ny fampijaliana ataon'ny polisy ary ny  ‘fampiasàna ny Lalànan'ny Tany mihotakotaka mba hampihorohoroana ny mponina.’

Taorian'ny namotsorana azy dia nanome valan-dresaka hentitra tao amin'ny fahitalavitra Ejiptiana Dream TV i Ghomin. Mohamed El Gohary, mpitoraka bilaogy, dia mandika ny valan-dresaka nataon'i Ghonim eto. Ny ranomason'i Ghonim narotsany ho an'ireo namoy aina novonoin'ny fitondran'i Mubarak nandritra ny hetsika, dia inoana ho vao mainka hitaona olona maro hanohana ny fitakiana.

Manoratra ho an'i  Egyptian Chronicles, Zeinobia dia miteny fa ny mampiavaka ny hetsika androany tao Tahrir, dia rehefa tafahaona tamin'ny renin'i Khaled Said i  Ghonim.

Toy ny maro hafa, Zeinobia dia miteny fa i Khaled Said no i Mohamed Bou Azizi ho an'i Ejipta, ilay tovolahy tao Sidi Bouzid any Tonizia, izay nandoro ny tenany ka nahatonga  firohotan'ny Toniziana, izay nitarika hatramin'ny fandosiran'ilay lehilahy mahery Zine El Abidine Ben Ali tamin'ny volana lasa.

Niteny nanoloana ireo Ejiptiana an-tapitrisany teo an-kianja i Wael Ghonim androany.

Nitàna anjara lehibe tamin'ity revolisiona ity ny hetsika Khaled Said, azonareo raisina amin'ny fomba ofisialy ho ny  Mohamed Bou Azizi aty aminay i Said. i Khaled Said dia ilay avy Alexandria izay niasa mangina nahatonga ny vahoaka madinika hiainga ka hanohitra ny mpamono azy nanerana ny firenena, hijoro ora iray teny amoron'ny ony hatreny amoron'ny Nile ka hatreny amoron-dranomasina. Ny tantara dia handrakitra ny andraikitry ny hetsika sy ny vondrona Khaled Said tamin'ity revolisiona ity, ho raketin'ny tantara izany.

Vondrona Facebook iray vaovao koa, mitondra anarana hoe I Authorise Wael Ghonim to Speak on Behalf of Egyptian Revolutionaries (Omeko alalana hiteny amion'ny anaran'ireo Revolisionera Ejiptiana i Wael Ghonim) no isan'ny nahazo fanohanana betsaka, maherin'ny 183.000 teo ho eo. Ireo lahatsoratra ao amin'ilay pejy dia sady ahitàna fanavaozam-baovao momba ny hetsika, no misy ireo hafatra fiaraha-miory amin'ireo namoy aina.

Tao amin'ny Twitter,  miraradraraka ny tribute avy amin'izao tontolo izao. Ghonim mandefa tweets:

Ry Ejiptiana malala, Tsy safidy mihitsy ny faharesena #Jan25

-  tweet iray izay mihodinkodina any anaty aterineto any ankehitriny.

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.