Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

20 Novambra 2010

Tantara tamin'ny 20 Novambra 2010

Kazakhstan: Resaka fitantanam-pitondrana

Tsy mitsahatra ny miady hevitra amin'ny lohahavitra tiany indrindra ny mpitoraka bilaogy Kazakh – ny kalitaon'ny fitondram-bahoaka. Mametram-panontaniana mikasika ny fahaiza-manaon'ireo mpitondra ambony i Megakhuimyak ary miteny fa matetika dia tsy mbola manan-danja noho ny “raharaham-pianakaviana” izany. Mbola olana goavana eo amin'ny fitsinjarana ny zavatra ilain'ny mponina Kazakhstani ny fisian'ny...

Nahazo filoham-pirenena vaovao i Zanzibar, fitaintainana tany an-toerana

Navoakan'ny Komisiona momba ny Fifidianana tany Zanzibar  omaly efa hariva be fa i Dr Ali Mohamed Shein avy ao amin'ny antoko Chama Cha Mapinduzi (antoko revolisionera) no nandrombaka ny fandresena tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tany Zanzibar ka izy izany no filoha faha fito hitondra ity firenena ity. Nandresy tamin'ny...

Broney: Fikasana hamono tena miteraka resabe amin'ny aterineto

Niteraka resabe tamin'ny aterineto, indrindra tamin'ny Twitter sy Facebook, ny saika famonoan-tena nataona tovovavy iray tany Brunei. Mitsikera ireo hanihany "tsy misy fihantràna" sy ireo esoeso ataon'ny mpampiasa aterineto sasany momba izany ireo mpitoraka blaogy.

Singapore: Mitombo ny herisetra ataon'ny jiolahy

Nanjary sehatra nifaneraserana ny rohy twitter #slashing sy #369 tato ho ato. Malaza amin'izany ny zava-niseho fandratrana amin'ny sabatra nataon'ireo andian-jiolahy tanora mitondra ny anarana hoe 3-6-9. Matahotra sady tezitra ny mponina manoloana ny fitombon'ny herisetra ataon'ireo jiolahy tato anatin'ny herinandro maromaro izao. Tanora avy any Singapore anelanelan'ny 14-20 taona am-polony...

Teknolojia ho an'ny Mangarahara: Andraikitry ny Governemanta any India

Aretina mikiky izao tontolo izao ny kolikoly ary mahakasika na ny firenena mandroso na firenena andalam-pandrosoana, ny sehatra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, ary ny fikambanana tsy mitady tombony ara-bola sy mpanome fanampiana. Navoitran'ny tatitra isan-taona an'ny Transparency International tamin'ny 2010 vao tsy ela izay fa mila mampiditra fepetra...