Teknolojia ho an'ny Mangarahara: Andraikitry ny Governemanta any India

Aretina mikiky izao tontolo izao ny kolikoly ary mahakasika na ny firenena mandroso na firenena andalam-pandrosoana, ny sehatra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, ary ny fikambanana tsy mitady tombony ara-bola sy mpanome fanampiana. Navoitran'ny tatitra isan-taona an'ny Transparency International tamin'ny 2010 vao tsy ela izay fa mila mampiditra fepetra iadiana amin'ny kolikoly amin'ny sehatra rehetra ny governemanta tsirairay avy. Mazava ho azy fa mila fomba fiasa amin'ny ankapobeny mihoatra noho ny efa natao hatramin'izay izao tontolo izao mba iadiana amin'ny kolikoly, isan'izany ny fiadiana amin'ny antony miteraka izany, toy ny fahantrana sy fitantanana mavozo.

Koa satria ny Technology for Transparency Network (tambazotran'ny teknolojia ho an'ny mangarahara) dia namolavola tetikasa samihafa ho an'ny mangarahara manerana izao tontolo izao, dia nampientanetana anay ny hahita ny firoboroboan'ny fiarahamonina anjakan'ny fangaraharana sy ny etika na aiza na aiza, amin'ny alalan'ny fampiasana teknolojia vaovao sy ny fanentanana ny olom-pirenea tsy hahazaka kolikoly.

Mandray anjara amin'izany fanovana izany i India, firenena lehibe indrindra, manana karazana demokrasia mivalampatra be eto amin'izao tontolo izao. Mpitari-dalana amin'ny governemanta misokatra sy tetipanorona misokatra amin'ny fivoarana misavoanan'ny teknolojia i India. Tsy kisendrasendra raha toa ka izy no firenena mamokatra solosaina afaka entina mandehandeha mora vidy indrindra manerana izao tontolo izao no miara miasa ihany koa amin'ny firenena hafa toa an'i Etazonia mba hanome tosika ny finiavan'ny governemanta misokatra:

India dia eo ampototry ny fahitana hoe ahoana ny fampiasana ny teknolojia sy ny fivoarana amin'ny anaran'ny andraikitra demokratika. Etazonia – vondrona fototra, torak'izany koa ireo izay mandrakotra ny tany mandroso sy an-dalam-pandrosoana, dia afaka nianatra zavatra goavana tamin'ny alalan'ireo ezaka ireo. Ary i India dia mety ho lasa karazana “tanàna eo antampon-tendrombohitra” izay hitodihan'ny firenena hafa mba hangalany lesona tsy ho amin'ny fomba famoahana olona an-tapitrisany amin'ny fahantrana ihany, fa amin'ny fomba fampitomboana ny andraikitra demokratika ihany koa.
Bilaogin'ny Governemanta misokatr'i Etazonia

Ny tsara ho marihina dia i India dia fanjakana federaly izay manana teny sy zavamisy isan-karazany. Izay no mahatonga ny fahamaroan'ny finiavana izay mifantoka amin'ny fangaraharana eny an-toerana sy amin'ny fomba ihazonana ny andraikitry ny manam-pahefana eny an-toerana, toy ny Accountability Initiative, io no tranga voalohany nataonay tamin'ny fiodinana faharoa izay nandinihana  ny momba izao tontolo izao. Ny lehiben'ny tetikasa, Yamini Aiyar dia mitsinjara ny andraikitra ao anatin'ny tetikasa mba ampivoatra ny famoahana ny asa ataon'ny fanjakana:

Ny tanjonay goavana dia ny ampiroborobo fomba fanolorana arapanjakana izay mahazo fahalalana sy mandray andraikitra. Fomba roa no anatontonsanay an'izany. Mba hampisy ny fomba fiasa toy izao, dia tsy maintsy misy ny fomba fiasa ara-panjakana mangarahara sy afaka mamaly ny zavatra ilain'ny olom-pirenena, ary ny olom-pirenena dia tsy maintsy amafisina amin'ny  fampahalalana mba ahafahany mametraka ny hetahetany ary manosika ho amin'ny fandraisana andraikitra tsara kokoa. Ny asanay manontolo dia miditra amin'ireo sehatra roa ireo miaraka. PAISA sy Expenditure Track dia ohatra amin'izany. Ny endriky ny asanay faharoa dia ny ampisy fampiandian-kevitra mikasika ny olana ara-andraikitra.

Tsidio ny tranokalan'ny Technology for Transparency mba ahitana tetikasa momba ny teknolojia ho an'ny mangarahara hafa any India.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.