Navoakan'ny Komisiona momba ny Fifidianana tany Zanzibar omaly efa hariva be fa i Dr Ali Mohamed Shein avy ao amin'ny antoko Chama Cha Mapinduzi (antoko revolisionera) no nandrombaka ny fandresena tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tany Zanzibar ka izy izany no filoha faha fito hitondra ity firenena ity. Nandresy tamin'ny salan'isa 50,1 isan-jato izy nanoloana an'i Maalim Seif Sharif Hamad, mpitarika ny antoko mpanohitra The Civic United Front, izay nahazo salan'isa 49 isan-jato. Nifanaraka i Dr Shein sy Maalim Seif fa hanangana governemanta iraisana izay hahitana filoha avy amin'ny CCM, filoha mpanampy voalohany avy amin'ny CUF ary filoha mpanampy faharoa avy amin'ny CCM.
Nambara tao anatin'ny tsy fitonian-tsaina vokatry ny fahatarana teo amin'ny famoahan'ny Komisiona momba ny Fifidianana tany Zanzibar sy tany Tanzania ny vokatra ity valim-pifidianana ity. Nandritra izany fotoana nafampana izany dia namoaka ny vaovao farany tsy an-kiato ny mpitoraka bilaogy sy ny mpiserasera amin'ny twitter.
Bashir Nkoromo avy amin'ny Chachandu Daily namoaka ny valim-pifidianana filoham-pirenena tany Zanzibar ao amin'ny bilaoginy:
MWENYEKITI wa Tume ya Uchaguzi ya Zanzibar (ZEC) Khatib Mwinyichande, amemtangaza Dk. Ali Mohamed Sheni kuwa rais mteule wa Zanzibar wa awamu ya saba kwa kupata asilimia 50.1 dhidi ya mpizani wake Seif Sharif Hamad aliyepata asilimia 49.1.
[…]
Seif alimpongeza Dk. Sheni kwa kupata ushindi huo na alimsifu kuwa ana uwezo, uzoefu na mahaba ya kuiongoza nchi yake. Alisema ushindi wa Dk. Sheni ni uametokana na uamuzi wa wazanzibari.
[…]
Niarahaba an'i Dr Sheni i Seif noho ny fandreseny ary nilaza fa izy (Dr Sheni) no manana fahaizana ampy, traikefa ary fitiavana hitondra ny firenena. Nilaza koa izy fa ny fandresen'i Dr Shein dia safidin'ny vahoaka any Zanzibar.
Maalim Seif Hamad (ankavanana) miarahaba an'i Dr Shein.
Ao amin'ny soratra hafa mamoaka vaovao mitovy amin'io ihany, niarahaba an'i Dr. Shein koa ny mpamaky iray avy any Wavuti ary nampahatsiaro ny rehetra fa i Dr Shein no filoha voalohany avy any Pemba:
Kwa mambo ya kwetu Zenji huyo Mpemba mwenzetu Dr Shein ndiye anakuwa Rais wa kwanza kutoka kisiwa cha Pemba tangu 1964. Na amepata ushindi mnono ukilinganisha na waliomtangulia…
Vokam-pifidianana tara
Tamin'ny alatsinainy dia sahirana ireo mpitoraka bilaogy nandefa sary mirakitra ny korontana sy ny fanehoan-kery tany Dar Es Salaam. Ilay mpitoraka bilaogy Lukwangule nandefa sary mirakitra herisetra tany Dar Es Salaam miaraka amin'izao soratra manaraka izao:
POLISI imelazimika kutumia mabomu ya machozi na maji ya pilipili baada ya kutokea vurugu katika eneo la Tandika Ngamano na kuwakamata zaidi ya watu 25 waliohusika na vurugu hizo…
Avy any Zanzibar Bashir Nkoromo nandefa sary ahitana ireo olona nitokona teo anoloan'ny hotely Bwawani izay nataon'ny ZEC ho foiben-toerany hamoahany ny vokam-pifidianana.
Ireo vahoaka teo ivelan'ny hotely Bwawani (sary nalefan'i Bashir Nkoromo)
Mandritra izany rehetra izany, ireo mpampiasa twitter toa an-sry @jamiiforums, @hakingowi, @issamwamba, ary @shurufu nilaza ny zava-misy tamin'ny fifidianana nanomboka tamin'ny alahady alina hatramin'ny alatsinainy ao amin'ny rohy: #UchaguziTZ, #uchaguzi, ary #TZelect.
Andrasana hatramin'ny faran'ity herinandro ity ny vokatra farany tamin'ny fifidianana tany Tanzania ary manohy ny fanomezana vaovao an-terinety tsy an-kiato ny media hanamaivanana ny fitaintainana vokatry ny fahataran'ny fanambarana ny vokatra sy ny fahelan'ny media nentin-drazana araka ny voasoratry @Fotobaraza ao amin'ny twitter:
Fotobaraza Nimegundua Twitter is more reliable kuliko TBC, jamaa wanachelewa mno bwana
@zittokabwe
@Subinukta
@Fotobaraza
@humanrightstz
Afaka harahanao koa ao amin'ny Mwananchi 2010 Valim-pifidianana.