10 Jona 2009

Tantara tamin'ny 10 Jona 2009

Ghana: Ady hevitra, fientanana ary fanantenana amin'ny fitsidihan'i Obama

Enim-bolana monja taorian'ny fanovana ny fitantanana tao Ghana tamin'ny alalan'ny fifidianana natao tamim-pilaminana ny volana desambra 2008, ary tahaka ny hoe fifanandrifian-javatra fa enim-bolana aty aorian'ny fanovana nankalazaina tamin'ny haino aman-jery tany Etazonia, dia hitsidika an'i Ghana mandritra ny 2 andro ny filohan'i Etazonia Barack Obama amin'ny fiandohan'ny volana jolay...

Global Voices Advocacy no nandrombaka ny fifaninanan'ny Zemanta blog

  10 Jona 2009

Global Voices Advocacy [Global Voices Mpisolovava] no nandrombaka voalohany indrindra androany ny loka fifaninanan'ny Zemanta's Blogging for a Cause na Famahanam-bolongan'ny Zemanta ho amina foto-kevitra iray. Nihoatra ny 60 ny vohikala nofantenana tamin'izany fifaninanana izany ka samy nahazo $1200 tsirairay avy ny 5 voalohany nahazo ny safidin'ny mpamaham-bolongana indrindra. Ankasitrahana...

Air Bus AF 447: Alahelo, tsy fahampiam-baovao sy fanaitairana

  10 Jona 2009

Niteraka resabe sy fanontaniana maro indrindra koa fikarohana ho an'ny filazam-baovao ilay fiaramanidina frantsay Airbus izay nanjavona tsy hitan'ny radara ny alahady 31 may; avy any Rio de Janeiro ity fiaramanidina ity ary hankany Paris. Niainga tany Brésil ilay fiaramanidina ny alahady 31 may, nisy mpandeha 216 tao anatiny ary...

Ny fifidianana Iraniana an-tsary

  10 Jona 2009

Ny Fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana dia hatao ny faha 12 Jona. Natokana fotsiny ho an'ny lehilahy, efatra monja tao anatin'ny  400 mahery, lahy sy vavy mifangaro, nisora-tena, no nomen'ny manam-pahefana fankatoavana ny firotsahany hoy ny  Mpiaro ny tolom-piavotana [Guardian Council]. Ny maso matsilon'ireo mpakasary-mpitoraka blaogy dia mamandrika sary momba...