Ny Fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana dia hatao ny faha 12 Jona. Natokana fotsiny ho an'ny lehilahy, efatra monja tao anatin'ny 400 mahery, lahy sy vavy mifangaro, nisora-tena, no nomen'ny manam-pahefana fankatoavana ny firotsahany hoy ny Mpiaro ny tolom-piavotana [Guardian Council]. Ny maso matsilon'ireo mpakasary-mpitoraka blaogy dia mamandrika sary momba izay vanim-potoana izay eny an-dalamben'i Iran eny izay ahitàna ireo mpanohana miezaka mandresy lahatra ho an'ireo mpirotsaka tohanan'izy ireo sy ireo fitakiana ara-pôlitikany.
Maryam Majd dia namoaka sary maro ao amin'ny Feminist School momba ny “fisiana tsy miankin'ireo vehivavy eo amin'ny fari-pifidianana.”
Ao amin'ny Feminist School dia azontsika vakiana ao fa hoe “Tajrish sq. Emamzadeh Saleh (toerana masina iray any avaratr'i Tehran) sy ny tsenabe manan-tantara ao Tajrish dia samy ambohimpihaonan'ireo mpitolona an-tsitrapo mpikambana ao amin'ny “Farimbon'ny hetsiky ny vehivavy [Coalition of Women’s Movement]”. Mitaky mafy izy ireo ny hisian'ny fanatrehana tsy miankin'ny vehivavy ao amin'ny fari-pifidianana ao an-tanàna. Ny teny fanevan'izy ireo dia hoe : “Mifidy ho an'ny zon'ny vehivavy izahay.” Ny fanirian'izy ireo dia ny hampitsaharan'ny manam-pahefana iraniana ny lalàna mifono endri-panavahana rehetra momba ny vehivavy.
Saba Vasefi koa dia naka sary ity hetsika ity ao amin'ny Feminist School.
Ao amin'ny blaogin-tsary Zoherpix isika no mahita ny fomba fanindrahindran'ireo mpomba an'i Mahmoud Ahmadinejad sy Mir Hussein Mousavi ny sarin'ireo olona tohanany: