12 Aogositra 2008

Tantara tamin'ny 12 Aogositra 2008

Tany Arabo:Vehivavy, tokantena, handao ny akany?

  12 Aogositra 2008

Ho an'ny ankamaroan'ireo vehivavy tokantena arabo, ny hiaina sy hiasa na handranto fianarana lavitry ny fianakaviana dia safidy tsy mora atao, noho ny tahotra ny hoe “Dia inona no ho lazain'ny olona”. Manerana ny tontolo arabo, vehivavy mpitoraka blaogy maro no efa naneho ny ahiahiny mikasika ny olana sedrain'ireo vehivavy...

Shina: Ankizivavy tonga lafatra tamin'ny fanokafana ny lalao olaimpika?

  12 Aogositra 2008

Nadikan'ny China Digital Times ho amin'ny teny angilisy ny resadresaka nifanaovany tamin'i Chen Qigang, mpandrindra ankapobeny ny hira nandritra ny fotoam-panokafana ny lalao olaimpika, ary nanambaran'ity farany fa feon'ankizy hafa efa noraisimpeo mialoha ny feo henon'ny rehetra nandritra io lanonampanokafana io.[avy amin'ny mpandika teny: tsikaritro iny ka! nisy manko fotoana...

Joridania: Voarara any Isiraely ny Harry Potter amin'ny teny arabo

  12 Aogositra 2008

Voarara any Isiraely ny andiamboky voadika amin'ny teny arabo Harry Potter, hoy i The Black Iris, avy any  Joridania. Araka ny loharanombaovao dia nankinina tamin'ny didy hitsivolana nivoaka tamin'ny taona 1939 – raha mbola tao ambany fitondran'ny Angilisy ny faritra – izay mandrara ny fanafarana ny boky avy any amin'ny...

SIDA 2008: Ny ahiahy sy ny fanantenan'ny MSM sy ny manao anton'asa ny fananahana Afirikana

  12 Aogositra 2008

Nifarana tamin'ny 8 aogositra 2008 teo ny fihaonana momba ny SIDA 2008 (IAC) notontosaina tao Mexico. “Universal action now” na asa iarahan'ny rehetra manerantany atao izao no lohahevitra nobanjinin'ny fihaonana ary raha heverina ny fanatrehan'ny avy amin'ny vazantany efatra, ny fifantohana tamin'ireo vondron'olona nailakilaka ary ny fivoahan'ny gazety isan'andro natsaoina...

Ossetia atsimo: Misy ady any Eoropa hoy ny filohan'i Estonia

  12 Aogositra 2008

Suomalais-venäläinen kansalaisfoorumi no mamoaka ny tatitry ny Filohan'i Estonia, Toomas Hendrik Ilves, milaza fa vaky ny ady any Eoropa, ary fanampin'izany lazainy koa ny ultimatum Rosiana (fe-potoana farany eken'i Rosia) hametrahan'ny tafika Zeorziana tsy hampiasa ny fitaovam-piadiany any Abkhazia fa raha tsy izany dia potika.

Iran: Mitondra fivavahana ambony diso fanantenana

  12 Aogositra 2008

Kamangir no mitatitra fa nalahelo (tezitra) tamin'ny ekipan'i Iran ny Mpitarika Vavaka isan-Joma tao amin'ny tanànan'ny mpivavaka ao Mashhad, dia ny Ayatollah Seyed Ahmad Alam Alhoda, satria vehivavy no nitarika azy ireo tamin'ny lanonam-panokafana ny lalao olaimpika.