Tantara mikasika ny Iràna

Tatitry ny Mpisera: Mifantoka Amin'ny Google Sy Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ireo Mpanaramaso Sinoa Mialoha Ny Tsingerintaona Faha-25 -n'ny Tiananmen

GV Mpisolovava  23 Mey 2019

Manomboka ao Shina ny tatitra amin'ity herinandro ity izay nanakanan'ny governemanta ny fidirana amin'ireo tolotra Google rehetra misy soramiafina na tsia ampiasain'ny Google ao amin'ny firenena ary nambaran'ny governemanta ny fisian'ny vava-ady iray vaovao anatin'ny adiny hanoherana ireo "tsaho anaty tambajotra": fampiasa fandefasana hafatra amin'ny aterineto

Fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy Kiorda

  22 Mey 2019

Ity ny herinandroko voalohany nampiasana fanangonam-baovao mba hijerena ireo bilaogy Kiorda ary tsy azoko antoka izay fahatsapako momba izany. Tena nankafy nijery bilaogy tsirairay isan-kerinandro ny ampahan'ny tenako, saingy mety ho tena mandany fotoana be izany.

Iran: “Voasazy higadra i Shiva”

GV Mpisolovava  03 Avrily 2019

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Septambra 2010) Araka ny filazan'ny tranonkalam-baovao marobe, voaheloka hahazo kapoka karavasy miisa 74 sy sazy an-tranomaizina enina taona ilay bilaogera Iraniana nogadraina sady mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, Shiva Nazar Ahari .

PangeaDay: Ireo Lahatsary Hanovàna Izao Tontolo Izao Rehefa 10 May

  02 Avrily 2019

10 may 2008 tamin'ny 6ora hariva GMT, lahatsary 24 no nalefa nandritra ny hetsika PangeaDay, avy aminà faritra enina, ary amin'ny fiteny fito samihafa eto an-tany, ho hita avy amin'ny Aterineto, fahitalavitra na finday, ka tokana ny tanjona : hahafantarana ny fiainan'ny hafa, hifantohana amin'izay mampitovy antsika, fa tsy izay mampiavaka,hiasàna ho an'ny fandriampahalemana.

Iran: Natambatra ny sivana 

GV Mpisolovava  27 Marsa 2019

Nanambara ny manampahefana Iraniana fa ho atambatra ny politikan'ny sivana ao amin'ny firenena. Araka ny filazan'ny manampahefanan'ny Repoblika Islamika,  nahazo ny fifanarahana mba ho tompon'andraikitra amin'ny fanivanana ao amin'ny firenena ny orinasa Iraniana iray, izay tsy nambara ny anarany.