Tantara mikasika ny Iràna

Fihetsiketsehana ao Iran: Tifitra bala sy fanakatonana aterineto

  24 Novambra 2019

Mihorohoro izahay amin'ny tatitra fa mpanao fihetsiketsehana am-polony no maty tany #Iran, an-jatony no naratra ary mihoatra ny 1000 nosamborina nanomboka tamin'ny zoma. Gaga izahay fa nakaton'ny manampahefana ny aterineto mba hanakanana ny tati-baovao momba ny famoretana mahery setra ataon'izy ireo. Manao fanadihadiana izahay ankehitriny.

Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketsehana sy ny fandrehetan-dabozia

  26 Jolay 2019

Niteraka korontana mahery vaika tsy nisy toy izany hatramin'ny Revolisiona Islamika tamin'ny taona 1979 ny fifidianana nampiadihevitra tamin'ny 12 Jona 2009 tao Iran izay namerina ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad teo amin'ny fitondrana indray. Nitaky ny hanafoanana ny fifidianana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitarika ny mpanohitra, Mir Hussein Mousavi.

Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana

  14 Jolay 2019

Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka)  ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.

Tatitry ny Mpisera: Mifantoka Amin'ny Google Sy Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ireo Mpanaramaso Sinoa Mialoha Ny Tsingerintaona Faha-25 -n'ny Tiananmen

GV Mpisolovava  23 Mey 2019

Manomboka ao Shina ny tatitra amin'ity herinandro ity izay nanakanan'ny governemanta ny fidirana amin'ireo tolotra Google rehetra misy soramiafina na tsia ampiasain'ny Google ao amin'ny firenena ary nambaran'ny governemanta ny fisian'ny vava-ady iray vaovao anatin'ny adiny hanoherana ireo "tsaho anaty tambajotra": fampiasa fandefasana hafatra amin'ny aterineto