Fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy Kiorda

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny 14 Desambra 2005)

Tongasoa indray eto amin'ny tontolon'ny bilaogy Kiorda!

Nambara voalohany tao amin'ny Sendikan'ny Bilaogera Kiordistan ny fananganana ny Kaonty (Fanisana) Bilaogy Kiordistan tamin'ity herinandro ity. Nalaina avy amin'ny maodely Iraq Blog Count, mikasa hanaramaso sy hanasokajy ny bilaogy Kiorda any amin'ny tranonkala manerantany izany. Anisan'ireo zavatra hafa nambara tao amin'ny Sendikan'ny Bilaogera Kiordistan ny famoronana ny marika vaovao KBU azo trohana.

Charles avy amin'ny Is-Ought Problem indray manana lahatsoratra mahafinaritra momba izay mitranga rehefa mampiasa teny “diso” amin'ny tatitra momba an'i Kiordistan ianao. Saro-pady ny lohahevitra Kiordistan amin'ny ankapobeny raha izay no hilazana azy, ary omena avy amin'ny ankolafin'ny hetsika rehetra ny tsikera momba ny teny ampiasaina. Koa satria iharan'ny tsikera toy izany amin'ny maha mpanoratra isan-kerinandro, dia tonga aho tamin'ny fehin-kevitra fa raha mampahatezitra olona iray aho, dia mampahatezitra azy ireo, saingy miezaka aho ny tsy hanao izany. Amin'ny fomba tsy miangatra misy vidiny ny fahatongavana amin'ity lohahevitra ity, ary tamin'ny asa tsara dia tsara izay hitantsika tato anatin'ny roa-telo herinandro tato amin'ity bilaogy manokana ity, manantena aho fa tsy hiala amin'ny fitakiany Atoa. Chapman.

Ho fanomezam-boninahitra ny Andron'ny Zon'Olombelona, Blogorrhea manome antsika rohy mankany amin'ny tatitra momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Kiordistan Atsinanana (Andrefan'i Iràka). Natolotry ny Fikambanana momba ny Zon'olombelona ao Kiordistan ny tatitra, izay ahitana dikan-teny amin'ny teny anglisy ny tranonkalan'izy ireo raha liana hamaky ny tatitra ianao.

Roj Bash! namoaka lahatsoratra momba ny fifandirana voalaza fa misy eo amin'ny governemantam-paritra Kiordistan sy ny Amnesty International, mampanantena fanadihadiana tsy ho ela amin'ny antsipiriany kokoa momba ny lohahevitra izy ireo.

Vladimir avy ao amin'ny Holland to Kurdistan mitatitra momba ny fifidianana ho avy ao Iraka. Ny voalohany dia lahatsoratra iray avy amin'i Ara Alan mikasika ny antony hifidianany ny 730. Ny faharoa dia tatitra momba ilay Kiorda mpila ravinahitra any Holandy.

Bilaogy Kiorda vaovao i Rasti. Mavitrika ny mpanoratra azy hatramin'ny nanombohany. Manana fanehoan-kevitra mahaliana momba ny PKK ao Torkia amin'izao fotoana izao izy, sy ny hoe tsy maninona izay vita, hisy ifandraisana amin'ny PKK foana ny raharaha Kiorda ao Torkia. Manana  fanadihadiana tena goavana ihany koa izy momba ny tantaran'ny fidirana antsehatra ataon'ny PKK any Torkia..

Pearls of Iraq manoratra ny fandaharan'asa fandriampahalemana Islamika any Irak ary momba ny fananganana trano ambanivohitra izay natao tao amin'ny tanàna kelin'i Kalar any Avaratr'i Irak (Kiordistan Atsimo)

Manana zavatra iraisana ireo bilaogera roa farany ao amin'ny lisitra amin'ity herinandro ity, samy manome fanazavana amin'ny antsipiriany momba ny fifidianana Irakiana ho avy amin'ny 15 Desambra (rahampitso!) izy ireo: Hiwa Hopes sy the Iraqi Vote. Na somary tara amin'ny harivariva na rahampitso fara-fahatarany, afaka manantena fanadihadiana amin'ny antsipiriany momba ny fifidianana Irakiana avy amin'ireo bilaogera ianao. Mitantara momba ny fifidianana avy amin'ny fomba fijery Kiorda Irakiana i Hiwa, manomboka amin'ny “manifesto”an'ireo antoko hatramin'ny filazana hoe iza no ho avela hifidy sy tsy ho avela hifidy. Somary tafiditra kokoa ny fitantarana nataon'ny Iraqi Vote, ary tanjon'ny lahatsoratra momba ny fifidianana irakiana, dia hifantoka betsaka amin'ny vaovao avy amin'io bilaogy manokana io isika. Miresaka be ny maha zava-dehibe ny fifidianana ho avy ny Iraqi Vote:

On December 15, 2005, the people of Iraq will vote for the first, permanent, democratically-elected government ever. This government has the most grand task of completing the skeleton that we call a constitution. As a result of the October 15th vote, the constitution was passed, but what kind of a constitution is it? Almost every article in the constitution says that it will be made permanent by a law, a law that will likely be voted on by the next government and the next government will be formed as a result of a general election due in only six days.

It is possible that this election will be the last one that matters because Iraq is likely to become a decentralized, federal state in which regional politics will be far more important than national politics. This fact is already evident in the absence of one of Iraq's most powerful politicians, Mr. Massoud Barzani, president of the Kurdistan Regional Government.

In the next four years, Iraqi politics is likely to shift from a national to a regional focus where elections in the regions would become more important than the national elections. However, that remains to be determined and it is wholly dependent on the results of next Thursday's vote.

Ny 15 Desambra 2005, hifidy governemanta voalohany maharitra sy voafidy ara-pomba demaokratika ny vahoakan'i Iràka. Ity governemanta ity no manana asa lehibe indrindra amin'ny fanatanterahana ny asabe antsointsika hoe lalàmpanorenana. Taorian'ny fifidianana tamin'ny 15 Oktobra, nolaniana ny lalàmpanorenana, saingy karazana lalàmpanorenana manao ahoana? Saika ny lahatsoratra rehetra ao amin'ny lalàmpanorenana no milaza fa ho apetraky ny lalàna ho maharitra izy io, lalàna izay azo antoka fa hofidian'ny governemanta manaraka ary hitsangana ny governemanta manaraka aorian'ny fifidianana ankapobeny tokony hotontosaina afaka enina andro.

Mety ho io fifidianana io no ho farany misy lanjany satria mety ho lasa firenena federaly itsinjaram-pahefana izy izay ny politikam-paritra no ho lehibe lavitra noho ny politikam-pirenena. Efa miharihary izany amin'ny tsy fisian'ny iray amin'ireo mpanao politika matanjaka ao Iraka, Atoa Massoud Barzani, filohan'ny Governemantam-paritra Kiordistan.

Afaka efa-taona, mety handao ny rafi-pirenena ho amin'ny fifantohana ara-paritra ny politikan'i Iraka ka mety ho lasa zava-dehibe kokoa noho ny fifidianana nasionaly ny fifidianana any amin'ny faritra. Na izany aza, mbola hodinihana izany ary miankina tanteraka amin'ny voka-pifidianana amin'ny Alakamisy ho avy izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.