Tafintohina Tamin'ny Lalànan'ny Iraniana Momba Ny Sarondoha Ireo Ekipa Vehivavin'ny Air France

Image edited by Kevin Rothrock.

Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Valo taona izay no nisidinan'ny Air France avy any Paris mankany Tehran. Niteraka olana ho an'ireo ekipa vehivavy ao amin'ilay zotram-piaramanidina, izay mitaky ny zo tsy hisidina ho any Tehran ny famerenana nanokatra ilay làlana, raha toa ka terena hitondra sarona Silamo (hijab) sy hanova ny fitondràntena imasom-bahoaka izy ireo. Nanokatra indray ny adihevitra momba ny tsy maintsy hitondràna ny Hijab any ivelany sy ao anatin'i Iràna ireny hataka ireny.

Nohizingizinin'ny solontenan'ny fikambanana, Françoise Redolfi, tao amin'ny Onjampeo Frantsay RFI fa tokony hanana zo handà tsy hiasa amin'ny zotra Paris-Tehran ny vehivavy :

Terena hitondra ny marika hita mason'ny fivavahana izahay. Tokony havela ho an'ireo vehivavy ireo ny safidy. Tokony omena zo hiteny izy ireo, na hanao na tsy te-hanao io sidina io.

Farany, nahazo alàlana tamin'ny Air France ihany ny ekipa handà ny asa mankany Iràna noho ny fitakiana hitafy hijab.

Misidina tsy misarona loha

Ho firaisankina amin'ireo vehivavy mpikarakara mpandeha ao amin'ny Air France sy ireo vehivavy any Iràna, dia nanao fanentanana mangataka ireo vehivavy vahiny mitsidika an'i Iràna mba hanàla ny saron'ny lohany ary hizara ny sary momba izany hetsika izany ny My Stealthy Freedom (Ny fahafahako miserana). Ary dia nirongatra ny fandraisana anjara.

Photo shared on My Stealthy Freedom Facebook page. From France and Italy; visiting beautiful Iran.

“Mitsidika an'i Iràna mahafinaritra izahay, avy aty Frantsa sy Italia. Inty ny sarinay izay nanesorako ny sarondoha. Mirary fahombiazana amin'ny fanentananareo .” Sary :  My Stealthy Freedom / Facebook

Maria from Germany on a rooftop in Iran. Photo from My Stealthy Freedom.

Maria avy any Alemaina eo ambony tafo-lavarangana any Iràna. ” Heveriko fa mariky ny firaisankina amin'ny vehivavy rehetra aty Iràna ( izay milaza fa tsy azo terena hanao hijab) izao, ary faly aho raha afaka mandray anjara, na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, amin'ny fahafahana misera ananan'ny vehivavy Iraniana rehetra ” hoy izy. Sary :  My Stealthy Freedom / Facebook

Ilay Iraniana mpanao gazety Masih Alinjad no nanomboka ny My Stealthy Freedom. “Hetsika” no iantsoany azy ary izao no nosoratany :

Tsy an'ny vondrona politika ity pejy ity, ary ny hetsika dia taratry ny tebitebin'ireo vehivavy Iraniana izay misedra famoretana araka ny lalàna sy sosialy.

Ny sary sy ny fanazavana rehetra voaray dia nalefan'ireo vehivavy manerana an'i Iràna, ary ity tranonkala ity dia natokana ho an'ireo vehivavy Iraniana any Iràna izay te-hizara “antsokosoko” ireo sariny tsy misaron-doha.

Ireo Fanehoankevitra Hafa

Raha mbola tsy maintsy hifaninana ao amin'ny haino aman-jery sosialy ny hetsik'ireo mpikarakara mpandeha amin'ny Air France sy ny poritsaka voalohany avy amin'ny ‘Panama Papers’ ,  dia somary nisarika ny saina tety anaty aterineto ny raharaha.

Nobitsihan'ilay mpandalina ny any Afovoany Atsinanana sady mpanao famakafakàna, Holly Dagres, ny sarin'ny mpiasan'ny Air France nalaina tamin'ny 2004, nanao hijab.

Tsy nampaninona ireo mpikarakara mpandeha tao amin'ny #AirFrance ny sarondoha rehefa niato tany #Iràna  tamin'ny 2004. Inona no niova ?

Novinavinain'ilay mpanao gazety miasa tena, Ali Alimadadi, fa ho faty ny zotra Paris-Tehran raha toa ka tsy mety manao saron-doha sy pataloha lava ny vehivavy.

Tsy mivonona ny hanao sarondoha sy pataloha ireo mpikarakara mpandeha ao amin'ny #AirFrance. Angamba TSY haharitra ela ny zotra mivantana mankany #Iran.

Nozarain'ireo mpisera amin'ny aterineto be tokoa ilay sariitatra nataon'i Sharokh Haydari misy fiaramanidina Air France manao sarondoha .

Sariitatra nataon'i #ShahrokhHaydari: ” Hejab ho an'ny Air France.” Miatrika ny politikan'ny fiakanjoana any Iràna ireo mpandray vahinin'ny orinasa.

Nanontany tena Atoa Tickle raha  toa ka Ayatollah Khomeini vita baoritra no fepetra manaraka takiana amin'ny ekipan'ny Air France. Nisy ny sary nalaina tamin'ny fahatsiarovana ny nahatongavan'i Khomeini tany Iràna ilay bitsika nataony.

Manontany tena aho raha toa ka takiana hivoaka amin'ny fiaramanidina miaraka amin'ny sarin'i Ayatollah Khomeini vita amin'ny baoritra ihany koa ireo mpandray ny mpandeha amin'ny Air France ?

Nandre Tsara Ve Aho ?

Tsy isalasalàna fa lasan'ny Minisitra Frantsay misahana ny Fianakaviana sy ny zon'ny Vehivavy Laurence Rossignol, ny loka tsy firaharahiana kolontsaina. Rehefa nanontaniana azy ny momba ny vehivavy Silamo izay mifidy ny hanao hijab, dia izao no valinteniny ” Marina, misy ny vehivavy izay mifidy izany…. misy ihany koa ireo amerikana mainty izay manaiky ny fanandevozana.”

Ny soratra nataon'i Christina Cauterucci ao amin'ny Slate :

Koa satria efa nilamina ny olana teo amin'ny Air France sy ireo vehivavy mpikarakara mpandeha, dia tokony ho mailo amin'ny fiantraikany ireo Frantsay mpanao lalàna . Andro vitsy taorian'ny nilazan'ny Air France ny lalànan'ny fomba fiakanjo any Tehran, nisy sendika iray an'ireo mpikarakara mpandeha niantso ny Minisitry ny Fianakaviana sy ny Zon'ny vehivavy Frantsay, Laurence Rossignol, nitady fanohanana amin'ny fandàvan-dry zareo ny politikan'ny sarondoha. Vao haingana, nampitahain'i Rossignol amin'ny “Amerikana mainty izay nanaiky ny fanandevozana ” ireo vehivavy silamo manao sarondoha. Raha  tsy faly amin'ny hevitra hanerena ireo vehivavy Frantsay tsy silamo hanao sarondoha any amin'ny firenena Silamo izy sy ireo hafa mpiaro ny zon'ny vehivavy, dia fahendrena ho an-dry zareo ny maka sary an-tsaina ny fihetsik'ireo vehivavy Silamo rehefa teren'i Frantsa hanala ny azy ry zareo.

Tsara ny manamarika, na izany aza, fa tsy ny fitondràna hijab fotsiny ihany no notoherin'ny ekipan'ny Air France, fa ny fangatahana ny fanovàna ny fitondràntenan-dry zareo ihany koa. Nosoratan'ny mpikambana iray ao amin'ny Air France amin'ny hafatra nalefa tao amin'ny My Stealthy Freedom :

Tsy faly ireo ekipa vavin'ny AF tamin'ny nanerena azy ireo hanao ny fanamian'ny mpikarakara mpandeha ( tsy akanjo lava fa pataloha sy akanjo ambony lava) sy ny tsy maintsy hanaovany sarondoha raha vantany vao tonga any Iràna, tahaka izany ihany koa ny tsy fahazoana mifoka sy miaraka amin'ireo ekipa lehilahy amin'ny làlana mahazatra. Tsy misy vehivavy tokony hilazàna ny fomba tokony ho fiakanjony na fomba fitondrany tena.

Rehefa any Roma…

Maro ireo naneho hevitra tao amin'ny My Stealthy Freedom sy ireo tranonkalanà haino aman-jery sosialy hafa momba ilay fenitra roa napetraky ny governemanta Iraniana. Ireo vehivavy mpitarika sy diplomaty mitsidika an'i Iràna dia terena hanao sarondoha. Etsy andanin'izany, takian'ireo Iraniana mpitarika sy diplomaty mivahiny any Andrefana ny tsy fisian'ny zava-pisotro misy alikaola sy ny tsy fandraisana tànana vehivavy amin'ny fotoana atrehan'izy ireo.

Ny Fihetsiky Ny Namanareo Mpanoratra

The author in Iran. Photo taken by Kamran Ashtary.

Ilay mpanoratra any Iràna. Sary nalain'i Kamran Ashtary.

Tsy mpanaramaso tsy momba ny atsy na ny aroa aho amin'io resaka io. Taorian'ny taona efatra nipetrahako tany Iràna dia fehiny roa no tiako ho lazaina. Voalohany, ho ataoko daholo izay rehetra azoko atao mba tsy ho terena hanao hijab indray. Faharoa, tsy hiteny ny olona hanala ny azy mihitsy aho.

Notantaraiko tao amin'ny lahatsoratra nosoratako ho an'ny Tehran Bureau ny fomba niarovan'ny zaobaviko ahy tamin'ny mpanaramaso ny fomba Iraniana :

Eny an-dàlana, isaky ny misy tsy fanarahandalàna momba ny hijab dia mitehaka ireo zaobaviko. Forough, ilay tena fatra-mpanaraka indrindra amin-dry zareo no mitehaka mafy indrindra. Raha nisy vehivavy nanatona anay mba hitsikera ahy noho ny sarondohako, dia i Forough no niteny azy, ” Rehefa mandeha mamangy azy aho tsy misy miteny ahy hanàla ny sarondohako izy. Tsy mitaky ny hanamboarany ny azy aho.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.