
Hossein Ronaghi-Maleki. Sary navoaka tao amin'ny Twitter taorian'ny famotsorana azy vonjimaika tamin'ity taona 2016 ity.
Noafahana vonjimaika tamin'ny 4 Mey 2016 ilay bilaogera Hossein Ronaghi-Maleki rehefa nandoa onitra. Nitokona tsy nihinan-kanina i Maleki tamin'ny volana Aprily ho fanoherany ny fanagadrana azy..
Tamin'ny sioka tamin'ny 6 Mey, nizara ny sariny vao haingana miaraka amin'ny fanehoan-kevitra an-tononkalo i Maleki:
هر رفتنی را بازگشتی است هر چند با جسم ضعیف و مریض احوال اما ایستاده و خندان باید بازگشت. باید بازگشت… pic.twitter.com/lp3zICJuka
— Hossein Ronaghi (@HosseinRonaghi) May 6, 2016
Isaky ny fiaingana rehetra, misy ny fiverenana. Na dia malemy sy marary aza, tsy maintsy mitsangana sy mitsiky isika. Tsy maintsy mandroso isika…
Nosamborina tamin'ny Desambra 2009, enim-bolana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena nahabe adihevitra tao Iran i Maleki. Nampidirina tao amin'ny fonja malazan'i Evin avy hatrany izy, natoka-toerana nandritra ny 376 andro talohan'ny nanombohan'ny fitsarana azy tamin'ny 2010. Nanome sazy 15 taona an-tranomaizina azy ny fitsarana noho ny fiampangana azy ho “manaparitaka fampielezan-kevitra manohitra ny fitondrana”, “mpikambana amin'ny vondrona aterineto Iran Proxy”, sy “manevateva ny mpitarika faratampony Iraniana sy ny filoha. “
Nibilaogy tamin'ny solonanarana Babak Khorramdin, anaran'ny Persianina iray fahiny mpitolona ho an'ny fahafahana avy ao Azerbaijan i Maleki (Maleki dia Azeri foko Iraniana).
Tamin'ny volana Aprily, nitatitra momba ny raharahan'i Maleki tato [mg] ny Global Voices sy ny Global Voices Advocacy.
Andro vitsy monja taorian'ny fahafahana vonjimaika, efa niasa nanao fanentanana momba an'i Mahmood Beheshti, gadra politika iray hafa eo am-pitokonana tsy hihinan-kanina any Iran i Maleki.
آنچه نگرانم می کند ایمان و اراده ای وصف نشدنی #محمود_بهشتی به راه و اعتقادش است.#FreeMahmoodBeheshtipic.twitter.com/wBD3O5NNzr
— Hossein Ronaghi (@HosseinRonaghi) May 7, 2016
Ny mampiahiahy ahy dia ny finoana sy ny hery tsy hay faritana asehoan'i #Mahmood_Beheshti izay miroso hatrany amin'ny lalan-kalehany.
Fitantarana hafa vao haingana momba an'i Hossein Ronaghi-Maleki ao amin'ny Global Voices: