Navotsotra avy ao amin'ny Fonjan'i Evin ilay Iraniana mpikatroka sady mpanao sariitatra Atena Farghadani. Tamin'ny 26 Aprily, nitatitra [mg] ny Global Voices fa nahena ho 18 volana ny saziny 12 taona. Tamin'ny Andron'ny Fahalalahan-Gazety Manerantany, 3 Mey, izy no navotsotra.
Lohahevitra malaza ao amin'ny serasera manerana an'i Iran sy any amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena misahana ny zon'olombelona ny fanafahana ilay mpanao sariitatra tamin'ny 3 mey, ary tafiditra amin'izany ity sioka avy amin'ny Fanentanana Iraisampirenena Misahana ny Zon'Olombelona ao Iran ity:
آتنا فرقدانی آزاد شد pic.twitter.com/NO1J61iFxv
— IranHumanRights.org (@ICHRI) May 3, 2016
Noafahana i Atena Faraghdani.
Afaka mamaky bebe kokoa ny mpamaky teny persiana ato: آتنا فرقدانی از زندان اوین آزاد شد+تصویر
Momba ireo tatitra nataon'ny Global Voices tamin'ny raharaha Atena Farghadani izay saika efa voadika amin'ny fiteny malagasy avokoa indray:
- Hiakatra Fitsarana Noho Ny Sariitatra Nataony Momba Ny Fanabeazana Aizana Ao Iran i Atena Farghadani [mg]
- Nahemotra Ny Famoahana ny Didim-pitsarana An'ilay Mpanakanto Iraniana Any Am-ponja, Atena Farghadani [mg]
- Atena Faraghdani, Nosazian'i Iràna Hifonja 12 Taona sy Tapany Noho Ny Resaka Sariitatra [mg]
- Nosamborina ny Mpisolovavan'ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Atena Faraghdani fa nifandray tanana taminy [fr]
- Atena Farghdani, Artista Sady Mpikatroka Mafàna Fo Voafonja, Manohitra Amin'ny Alàlan'ny Fitokonana Tsy Misakafo Ny Fampijaliana Azy [mg]
- Nahena 18 Volana ny Sazy 12 Taona an'Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Atena Farghadani[mg]