Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Desambra, 2015
Fampianarana Tanaty Fotona Fohy Nentin'ny Fifidianana Solombavambahoaka 2015 ao Trinidad sy Tobago
Avy amin'ireo trondro mena mankamin'ireo tenifototra, mety ho zavatra maro no ambaran'ireo fifidianana solombavambahoaka taona 2015 tao Trinidad sy Tobago, saingy tsy anisany amin'ireny ny fahasorenana.
Niverina Ny Hetsika ‘Vahaolana Amin'ny Herisetra’ Ataon'ny Mpisera Amin'ny Facebook, Sy Ny Adihevitra Momba Ny Politika Hifehezana Ny Herisetra An-Tokantrano Any Trinidad Sy Tobago
Ny fiverenana amin'ny hetsika no ataon'ny mponina ho vahaolana amin'ny herisetra amin'ilay fantatra amin'ny hoe 'Facebook Division'-n'ny mpitandro filaminana. Tamin'ity indray mitoraka ity dia lehilahy iray nidaroka ny namany taminà tapaka vifotsy no enjehan'izy ireo.
Krismasy Manerantany Ao Anatin'ny Sary 17
Misaotra betsaka ho an'ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices nizara sary momba ny fankalazana sy ny sakafo krismasin'izy ireo.
Nidina An-dàlambe Ny Haitiana Ho Fanoherana Ny Voka-Pifidianana
Hamafisin'ny Haitiana fa tsy marina ny vokatry ny fifidianana natao tao amin'ny firenena vao haingana teo, ka nahatonga hetsika goavana an-dàlambe, izay vetivety foana dia nanjary nahery vaika.
Rastafari Rootzfest, Mankalaza Ny Fanalalahan'i Jamaika Ny Rongony Mariroanà
Ny Rastafari Rootzfest -- "fetiben'ny ganja miaro fampianarana", voalohany ho an'i Jamaika hatrizay-- manokatra ny làlana ho an'ilay nosy mba hanamboatra ny marika amantarana azy amin'ilay indostrian'ny mariroanà (marijuana) vao mipongatra ho amin'ny tany tontolo.
Olona Firy no Nahazo Ny Lokan'ny Fihaonana an-Tampon'ny Nobel-n'ny Fandriampahalemana sy ny Grammy Latina Tao Anatin'ny Herinandro Iray?
Nanandratra ny feony amin'ireo anton-javatra maro nandritra ny taona maro, tahaka ny famotsorana ilay gadra politika Poerto Rikana Oscar López Rivera ilay mpihira Hip hop René Pérez .