Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Febroary, 2020
Sary amin'ny fifaninanana mively amponga vy (steel pan) nandritra ny Fetiben'i Trinité-sy-Tobago
Tsy misy afa-tsy toerana tokana ahazoana mihaino ireo steelbands tsara indrindra mifampitsapa fahaizana: ny fifaninanana isantaona "Panorama" rehefa tonga ny Fetiben'i Trinité-sy-Tobago.
Efa tena tsy vaovao amin'ny Jamaikana intsony izao ny Tsimokaretina Chikungunya hany ka antsoin-dry zareo hoe “Chik-V”
Voakiana ny minisitry ny fahasalamana noho ny fandraisany an-tànana ny valanaretina Chikungunya, tsimokaretina aparitaky ny moka izay miteraka fanaviana sy fanaintainana mafy eny amin'ny vanintaolana.
Andro Iraisam-pirenena iadiana amin'ny SIDA : Miady amin'ny fanavakavahana maneran-tany
Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no nivondrona mba hanohana ireo miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Tato anaty aterineto, maro ireo nanombatombana ny fivoarana vita sy ny dingana mbola mila hatrehina amin'ny ady amin'ny fanavakavahana sy ny fiparitahan'ny aretina. Inty misy angon-dahatsoratra, sary ary lahatsary avy amin'ireo miteny sy manoratra amin'ny teny Frantsay.
Karaiba mandray matotra ny resaka ‘coronavirus’, manao tohivakana ny fandraràna fivahinianana an-tany hafa
Faritany marobe ao Karaiba — anisan'izany i Jamaika, Antigua sy Barbuda, Bahamas, Dominica, ary Trinidad sy Tobago — nametraka fepetra amin'ny fivahinianana mankany sy avy any Shina.
Hetsika manohitra ny fanorisorenana an-dalambe ao Trinité & Tobago: Fotoana indrindra izao hampianarana ny lehilahy hanao ny tsara kokoa”
Tranga mahazatra eo anivon'ny ankamaroan'ny fiarahamonina Karaibeana ny fanorisorenana vehivavy eny an-dalana, saingy nanomboka fanentanana ara-panabeazana hampisy fiovana ara-pitondratena ny Vaomiera ara-toekarenan'ny Firenena Mikambana ho an'i Amerika Latina sy i karaiba.