Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Janoary, 2023
Nambaran'ireo firenena amin'ny ilabolantany atsimo fa tsy nisy ny fandraisana andraikitra ara-toetrandro nandritra ny COP27
Satria iray andro sisa tavela amin'ny fihaonambe eran-tany, mbola tsy nisy ny fametrahana rafitra famatsiam-bola ho an'ny Fatiantoka sy Fanimbana satria miodinkodina manodidina ny fandaharam-potoana ny firenena mandroso .
Olana mbola tsy ho foana ny fanararaotana ireo zaza tezain'ny fanjakana ao Jamaika, nefa ny rafitra ve no hotsiniana?
Tatitra iray no mitanisa amin'ny antsipirihany ny fifandraisana mampiahiahy misy amin'ny masoivoho mpanatanteraka sy ilay amerikana mpanorina fikambanana ara-pinoana iray, ampangaina ho manao fitondrantena tsy mendrika any amin'ireo toeram-pitaizana marobe ao amin'ny fanjakana
Black Stalin, mpiangaly gadona calypso tao Trinidad & Tobago, ilay ‘lehilahin'i Karaiba,’ niavaka indrindra, nodimandry teo amin'y faha-81 taonany
Mpandinika ary mpanoratra tononkira tena mahaleotena nandritra ny asa navitrika sy naharitra nataony i Salin, nahavita nametraka kihon-dàlana tena tokamiavaka, manantsaina momba ireo olana tamin'izany fotoan'andro izany.
Mihoatra lavitra noho ny mpanjakavavy mpiady no namoronan'ny mpanakanto indray ilay Nanny-n'ireo Maroons tao Jamaika
Amin'ny ankapobeny ilay vehivavy hany tokana maherifom-pirenena tao Jamaika, “Grandie Nanny,” araka ny fiantso azy, dia aseho ho sahala amin'ny mpiady masiaka, saingy misy fampirantiana zavakanto iray vaovao miezaka mandoko sary feno kokoa.
Tsotra, tsy fahita firy ary mampalahelo – ny lanjan'ny tsingerin-taona
" ...ny zavatra azoko avy amin'ny Andron'ny Faran'ny Taona dia avy amin'ny hatsaràna mahafinaritra fony fahazaza, fihetsika tsotra izay nahatonga fahatsapana hoe azo tanterahina ireo zava-mahagaga."