Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Jolay, 2021
Ny mampiavaka an'i LeRoy Clarke, mpanakanto kintan'i Trinidad & Tobago maty tamin'ity herinandro ity
"Ny kanto maha-LeRoy Clarke dia taranja iray, novolavolain'ilay mpanakanto iray naka aingampanahy no sady napararetran'ny fiarahamonina izay nanorotoro ny zavakantony tao anatin'ny fisiana."
Nisafaoka tamin'ny fanamavoan'ny vondrona fototra iraisampirenena ny CARICOM, raha i Haiti nametraka praiminisitra vaovao
Fanamarihana marikivy avy amin'ny CARICOM no nitsena ny antso iray nataon'ny vondrona iraisampirenena ho an'ilay praiminisitra voatendrin'i Jovenel Moïse mba hananganana “governemantan'ny marimaritra iraisana sy iarahan'ny rehetra ”, saingy tafapetraka ihany moa izy.
Lazain'ireo mpanorina tanàna hoe maty ny vatohara ao amin'ny Helodrano Indiàna any St. Vincent. Mifanohitra amin'izay no asehon'ireto sary ireto
"Izaho vavolombelon'ny fitsiriana indray teo amin'ireo vatohara elkhorn tany amin'ireo faritra manandanja ao amin'ilay helodrano. Alaivo sary ao an-tsaina ny mety ho azao atao raha toa isika tena mametraka tokoa ny ezaka araham-piniavana ataontsika, na tsia. Tsy vahaolana ny haran-dranomasina voatrolombelona."
Manan-danja ny habe [isa]: Maha-te-hiresaka hoe aiza ny hitsiny ny vakisiny nomen'i Etazonia ho an'i Trinite & Tobago
Nahazo fanehoan-kevitra masiaka anjotra ny fanapahan-kevitry ny masoivohon'i Etazonia ao Trinite sy Tobago hisioka momba ny fanomezany tavoara 80 amin'ny vaksiny COVID 19 Pfizer
Elsa, ny tafiotra goavana voalohany ho an'ny vanimpotoanan'ny taona 2021, mamely an'i Karaiba
Miaraka amin'ny fiakaran'ny rano tampoka, nt hazo tapakan ny faharavan'ny trano sy ireo toeram-ponenana mijoalajoala, tabataba mangeroka no entin'i Elsa manambara ny fahatongavan'ny vanimpotoanan'ny tafiotra amin'ity taona ity
Shelly-Ann Fraser-Pryce, ‘Mommy Rocket’ ao Jamaika no vehivavy mbola velona faingan-tongotra indrindra
Tamin'ny 5 jona lasa teo, lasa vehivavy faharoa faingan-tongotra indrindra teo amin'ny tantara i Shelly-Ann Fraser-Pryce efa tompondaka olaimpika indroa miantoana avy ao Jamaika raha nandresy tamin'ny hazakazaka zato metatra tao anatin'ny 10.63-segondra.