Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Aogositra, 2021
Ny fomba nampiasàn'ny Haitiàna iray ny soanambo mba hiteraka fahazakàna dona taorian'ny horohorontany
"Ny hazo soanambo iray dia afaka mamokatra voankazo ampy ho ana fianakaviana iray manontolo, ary afaka velona hatramin'ny 80-100 taona, manome fahafahana manao zavatra ho an'ireo mpandraharaha ao Haiti mandritra ny taona maro ho avy.."
Ny nahatonga ny toeram-pilomanosana iray ho marika amantarana ny fiovan'ny toetrandro sy ny kolikoly ao Pôrtô Rikô
Lazain'ireo mpitsikera ny dobo filomanosana iray rava nandritra ny tafiotra mahery Maria tamin'ny 2017 fa ho averina haorina indray izy io, na mifanipaka amin'ny fepetra mifehy ny ara-tontolo iainana ao Pôrtô Rikô aza.
Tsy azo itokiana ve? Mitombo ny fanelezana vaovao diso momba ny COVID-19 ary ny fifidianana ao Amerika Latina sy Karaiba
Mifangarika amin'ny fitobahan'ny vaovao diso sy ny fanelezana tsaho mandifotra ilay faritra ny tsy fahampian'ny torohay azo itokiana momba ireo olana saropady, tafiditra amin'izany ny ady atao amin'ny COVID-19.
Naratra nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny “tsy maintsy” hanaovana vaksiny ho an'ny rehetra ny praiminisitra ao Saint-Vincent sy Grenadines
Nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana fa hanitsakitsaka ny zon'ny vahoaka ny tolokevitra fanitsiana ny volavolan-dalàna ary niampanga ny governemanta ho tsy nahavita nifampiresaka momba io olana io.