Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Jolay, 2017
Nosy Cayman : Ny Fahasimbana Entin'ny Sambo Mpitatitra Mpizahatany
Miresaka fohifohy mikasika ny iray amin'ireo safidy sarotra izay atrehan'ny fizahantany ara-toekarena madinika ny mpisera Flickr George Chang ao anatin'ny fanazavana sary iray.
Barbados: Ireo Famantaran-dàlana
Namoaka ity sarin'ny famantaran-dàlana eo amin'ny sampanan-dalana any ambanivohitr'i Barbados ity ny bilaogeran-tsary Barbados in Focus (Mifantoka amin'i Barbados). "Tena manerana izao rehetra izao ny famantaran-dàlana." Na izany aza, misy ny karazana famantaran-dàlana mety natao manokana ho an'ny toerana iray toy ny asehon'ny sary eto ambany.
Karnavaly: Lahatsary Avy Amin'izao tontolo Izao
Ny fomba iray ahafantarana ny kolontsaina, dia ny mahita ny fomba fankalazana sy ny antony hankalazana izany. Maro ny firenena manana fety iraisana, dia ny Karnavaly, ary samy manana ny fankalazany izany ny firenena tsirairay.
Jamaika: Veloma Farany Ho An'Ilay “Mpitondra Mahafinaritra”
Matytao an-tranony tany Londres ilay mpihira reggae malaza Jamaikana Gregory Isaacs , fanta-daza amin'ny anarana hoe ilay "Mpitondra Mahafinaritra" rehefa niady tamin'ny homamiadana efa hatry ny ela. Inoana fa ny hirany "Night Nurse"izay rakikira tamin'ny taona 1982 no tena nampalaza indrindra an'i Isaacs.
Ny Fahatakarana Ao Anatin'ny Vazivazy Ny Adin'i Pôrtô Rikô Amin'i Washington
Mametraka fanontaniana tsotra ny 'Dokambarotry ny Governemanta Marina ' ao amin'ny Juice Media : Vonona ve ianao amin'izany fahamarinana be dia be izany ?
Jamaika : Mitondra Otrikaretina VIH Aho
Haiti, Bahamas ary Trinidad sy Tobago no faritra ao Karaiba manana ny isa tena avo indrindra amin'ny fitondràna ny otrikaretina VIH/SIDA.
Lahatsary: Tanora Manerana Izao Tontolo Izao Maneho Hevitra Ao Anatin'ny 60 Segondra
Manome fahafahana ho an'ny tanora 12 ka hatramin'ny 20 taona manerana izao tontolo izao haneho hevitra sy hianatra mikasika ny lahatsary mba hifaneraserana amin'ny alàlan'ny fandravana ny sakana toy ny sisintany, ny fiteny sy ny halavirana miaraka amin'ny lahatsary maharitra 60 segondra ny tetikasa OneMinutesJr .
Haiti: Mitady Fanafana Amin'ny Tsy Fahampian-tsakafon'ny Zaza
Tao amin'ny YouTube, manolotra antsika lahatsary mampiseho ny fomba fahandron'ny fianakaviana iray rehefa hanamboatra mofo fotaka ny toddgsapp, tsy natao ho hanin'izy ireo ihany fa amidy ihany koa izy ity.