Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Febroary, 2021
Sary an-drindrina vaovao ao afovoan-tanànan'i Kingston mitondra hazavana ao anatin'ny haizin'ny COVID-19 any Jamaika
Ny seha-pamoronana ao Jamaika, izay nanomboka nahitàna "laingo maitso" marobe indray talohan'ny valanaretina COVID-19, dia voadona manokana - saingy miroso mitondra zavatra vaovao.
Mangataka fihaonambe iraisam-pirenena ny Karaiba ho an’ny fizaràna mitovy ny vaksiny fanefitry ny COVID-19
Ny CARICOM dia ”sahiran-tsaina mafy ny amin'ny tsy fitovian’ny fahafahana mahazo vaksiny”, ary manamarika fa ho sarotra ho an’ireo firenena madinika ny hahazo izany.
Manampy amin'ny fampitsaharana ny fanapahana hazo fingotra efa zato taona any Guyane ny tsindry ataon'ny vahoaka
"Mbola fampandrosoana ihany koa ny fampandrosoana misy fiheverana ny lova [fitsinjovana ny ampitso]."
Melohin'ny ao Karaiba ny fanapahankevitr'i Trump hamerina an'i Kioba ho ao anaty lisitry ny mpampihorohoro; Antenainy ny fanafoanana izany miaraka amin'i Biden
Antenain'ireo manampahaizana sasany hamerina ny fifanarahana arak'asa amin'ilay nosy ny fitantanan'i Biden/Harris; ireo Kiobàna sasany mpaneho hevitra indray toa tsy mahita ny toy izany. Na ahoana na ahoana, tian'ny CARICOM ny hanesorana an'i Kiobà tsy ho anatin'ilay lisitr'i Etazonia misy ny mpampihorohoro.
Ao Trinidad & Tobago, tratran'ny fahirano ny vehivavy, indraindray na ny voambolana aza tsy misy heriny
Ny tiako dia tontolo izay tsy mety ahafahana mamono antsika. Ny tiako dia nosy izay ifohazantsika sy idirantsika taxis izay ahazoana antoka feno fa tsy ho alaina ankeriny isika.'
Chantal Esdelle, mpiangaly mozika, miresaka momba ny fomba nataon'ilay areti-mandringana hamohazana indray ny Karnivaly ao Trinidad & Tobago
'Tena mila ifantohanay ny fomba tianay mba hampandeha indray [ny Karnivaly] ho anay: ny fanaovana hetsika sy fandraisana anjara fa tsy famokarana sy fanjifàna.'