Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Oktobra, 2022
Ao Trinite & Tobago, mbola fetibe ankafizin'ny olona avy amin'ny finoana samihafa hatrany ny Divali
Taorian'ny nampahalalan'ny bitsika iray ny fanehoankevitra iray tsy misy fandeferana momba ny Divali, niray feo daholo ireo mpampiasa tambajotra sôsialy niteny nanome lanja ny fanajàna sy ny fandeferana: "Ataovy amin'ny hafa izy tianao mba hataony aminao".
Fahafatesana tampok'ilay Haitiana mpihira ‘Mikaben’, mamela fahabangàna lehibe anatin'ny tontolon'ny mozika
Nihira hiram-pitiavana ho an'i Haiti izy - hira momba ny tontolony, ny kolontsainy, ireo vehivaviny ary ny mozikany: hira natao hitaizàna ny mahantra; hiran'ny herimpo, ny faharetana ary ny fanantenana
Mandefa hafatra i ‘Explainer,’ ‘mpitondratenin'ny calypso’ ao Trinidad & Tobago
Ilay malaza mpiangaly ny calypso, izay nodimandry ny 7 Oktôbra teo, dia nohosorana tamim-pitiavana ho 'ilay mpitondra hafatra', satria izy dia namorona hira naneho ireo maharary ny fiarahamonina sy ny famoretana ny mahantra.
Feo avy amin'ireo Nosy: Notendrena ho Lehiben'ny Firenena Mikambana misahana ny Fiovan'ny Toetrandro ny minisitry ny tontolo iainana ao Grenada
Nohazavain'ny mpaneho hevitra fa hanana asa be dia be i Stiell eo ambony loviany, milaza fa ilaina hodinihana ny olana manokana, mampatahotra ary sarotra.
Mijaly i Goadelopa taorian'ny fandalovan'ny Rivodoza tropikaly Fiona
Vinavinaina handalovany ka hahatsapa ny vokatr'izany amin'ny 18 Septambra ny Repoblika Dominikanina. Hatreto, dia mitazona ny herin'ny tafiotra 85 km isan'ora izy.