Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Mey, 2019
Mampiroborobo ny fitoviana i Trinidad & Tobago, kanefa tsy afa-miala amin'ny resaka firazanana matetika ireo mpanao politika
Nisy ny fandraketam-peo tamin'ny vehivavy iray antsoina hoe Nalini Ramai nivezivezy nanerana ny media sosialy Trinidad sy Tobago. Tao anatin'ilay fandraketam-peo, re mitaraina amin'ny mpamatsy fahitalavitra an-tariby i Ramai. Nanao izay vitany ilay solontenan'ny tolotra ho an'ny mpanjifa mba hampitony azy, saingy nanohitra i Ramai ary nahavita nanao fanambarana fanavakavahana.
‘Ireo Feo Ho An'ny Fiovaovàn'ny Toetrandro’ ao Jamaika, mozika no fitaovany hanelezana ny hafany
ONG iray mitsinjo lavitra mampiroborobo ireo fomba fanao voalanjalanja tsara hiarovana ny tontolo iainana amin'ny alàlan'ny fampandraisana anjara ny mpanakanto ao anatin'ny fanentanana manakaiky vahoaka iresahana ny fiovaovan'ny toetrandro.
Raharaha goavana momba ny zava-mahadomelina, Manasongadina ny fomba fanao feno fahendrena an'ny polisy ambony ao Trinidad & Tobago
"Na dia maniry ny mifanohitra amin'izany aza isika, tsy valin'ireo valimbavaka ho antsika i Gary Griffith fa fambaran'ny tsy fahombiazantsika."
Fanehoan-kevitra isan-karazany manoloana ny drafitr'i Trinidad sy Tobago hampiaty ireo mpifindramonina Venezoeliana ho ara-dalàna
Manomboka amin'ny fanararaotana ireo mpitsoa-ponenana hatramin'ny fitomboan'ny heloka bevava feno herisetra. Maneho hevitra isan-karazany i Trinidad sy Tobago manoloana ireo venezoeliana mpifidramponina tsy mitsahatra tonga ao aminy.