Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Febroary, 2016
Trinidad sy Tobago : Mivonona Amin'ny Taratasy Famaohana Ireo Mpijery Ny Fifaninana Mozika Soca Amin'Ity Taona Ity
Nanjary endrika malazan'ny fankalazana ny Fetibe isan-taonan'i Trinidad sy Tobago ny fifaninanana Soca Monarch Iraisam-pirenena, saingy nampieritreritra ny ankatoky ny famaranana tamin'ity taona ity.
Porto Rico : Vehivavy Dominikàna Mampiaina Indray Ny Vohitr'i Santurce Ao San Juan
Ara-tantara dia mifamatotra amin'ny vohitr'i Santurce ny vondrom-piarahamonina Dominikàna, iray amin'ireo vohitra isan'ny tena malaza indrindra ao San Juan, renivohitr'i Porto Rico. Na dia zara raha misy mpahalala aza ny zavatra entin'ireo Dominikàna amin'ny fampivoarana an'i Porto Rico. Hanoherana an'izany, Ernesto Beltrán, izay nanoratra tao amin'ny El Post Antillano, dia mampitaha ny vehivavy dominikàna amin'ireo mpisava làlana
Bilaogy LGBT Iray Naato Fa Niresaka Tobin'Asa An-terivozona Tao Kiobà Nandritra Ny Taompolo 1960
"Nihevitra aho fa olana ara-teknika izany...tsy fantatro hoe nahoana no 'manala-baraka ny Revolisiona izany,' araka ny nambaran'ny didim-pitsarana taminay." hoy ny bilaogy voasivana.
Miomana Amin'ny Otrikaretina “Zik-V” Mandrahona Azy Ny Mponina Ao Karaiba
Ny Sampana misahana ny Fahasalam-bahoaka (CARPHA) dia nilaza tamin'ireo olona mba hiaro tena ary indrindra koa mihevitra mihitsy handefa lalao amin'ny finday, atao hoe Zap-a-'quito, mba hampianarana ny vahoaka.
Midika Hetra Vaovao Sy Fifehezan-kibo Ho An'ny Vahoaka Any Trinite Sy Tobago Ny Fahasahiranana Ara Toekarena
Nilaza ny Minisitry ny Vola, Imbert, fa ilaina ny fiovana mba hamonjena ny toekarena amin'izao endriny marefo izao, satria tsy mitsahatra mitotongana ny vidin-tsolika. Tsy nanampy, ihany koa, ny fandaniana be loatra nataon'ny fitondrana teo aloha.
Savaravina Ataon'ny Media Sosialy Karibeana Momba Ny Hatezerana Mafy Mitambolona Manodidina Ny Fihetsika Tampok'ilay Mpilalao Cricket Chris Gayle
"Toa mihoatra ny tokony ho izy aza ny fanamelohana manerantany ny fanadalàn'i Chris Gayle [kanefa] fampahatsiahivana tsara ilay resabe mikasika iny zava-nitranga iny, milaza fa misy ny tsipika tokony tsy azo ihoarana."
Ireo Mpanjaka Telolahy No Iray Amin'ireo Fombandrazana Ankafizin'i Puerto Rico Indrindra
Iray amin'ireo fomba amam-panao lehibe mifandray amin'ny Three King's Day (Andron'ny Mpanjaka) ny "Promesas", na fomban-drazana fitarainana amin'ireo mpanjaka mba hiditra an-tsehatra amin'ny fotoana ilàna azy.
Toa Tsy Ho Voasoroka Ny Loza Mitatao Entin'ny Viriosy Zika Ao Karaiba
Nambaran'ny Fikambanana Erantany momba ny Fahasalamana fa hamehana ho an'izao tontolo izao ny viriosy Zika. Ny faritra sasany ao Karaiba dia efa niomana tamin'izy io, raha ny sasany kosa malai-mihetsika.