Fampianarana Tanaty Fotona Fohy Nentin'ny Fifidianana Solombavambahoaka 2015 ao Trinidad sy Tobago

"Balisier House prepares"; photo by C*POP, via flickr user Georgia Popplewell, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license.

“Miomana ny Trano Balisier”; sary an'ny C*POP, Georgia Popplewell mpampiasa Flickr. CC 2.0

Ireo fifidianana solombavambahoaka tao Tobago sy Trinidad, izay lasa aloha tamin'ity taona ity, ny 7 Septambra, dia nitokana governemanta vaovao, nanolo ireo lohandohany izay voahozongozona vokatr'ireo fiampangàna ho nanodikondim-bola ary ireo fihoaram-pefy tamin'ny asam-panjakana. Volana vitsivitsy mialoha izany, nikarakara fifidianana i Guyane, izay niasa ho toy ny fampitandremana, saingy fanta-daza amin'ny “hamafiny” i Trinidad sy Tobago  (fomba fiteny midika hoe “mafy loha” na “votsa fandray lesona”), izay angamba antony mahatonga ireo fifidianana tao amin'ity repoblika kamban'ireo nosy roa ity hanana fangaro tokana:

1. Famoronana fialamboly iray

Fanararaotana tsara mikasika an'io ny Carnaval, satria ahitana ara-bakiteny ireo zava-mahasarika an'arivony, mitafy akanjo maivana ireo vehivavy mandihy mihodinkodina eny andalam-be entanentanin'ny mozika. Na ny moànina aza mba afa-po rehefa mitranga ny hoe misy iray amin'ireo vehivavy ireo “mandihy miolankolana hetsehin'ny fidorohana divay” (dihy mihodina izay mampalaza indrindra ny firenena io) miaraka amin'ny filohan'ny mpanohitra eo amin'ny firenena ary ireo mpakasary manapika sary maro, izay avy eo handrehitra afo manerana ireo media sosialy momba izay lazain'ireo hetsiky ny dihin'i Keith Rowley momba ny fahaizany mitondra firenena. (Mikasika ny fifandraisan'ireo saranga sy ny fitondràn-dehilahy, mazava ho azy, no lafiny tena lalina tamin'io adihevitra io.)

Miandrasa fotsiny volana vitsivitsy, avy eo ampio fiampangana herisetra ara-nofo ilay fangaro. (Ireo fiampangana mamely an'i Dr. Rowley araka ny valy bontana nolazain'i Anika Gumbs, mpitatitra vaovao an-gazety, taorian'ireo ahiahy fa mety hitranga ny fifandrohitana tombontsoa, izay iaraha-mahalala fa mpikambana ao amin'ny gazety Express sady tompon'ireo fifanarahana roa amin'ny governemanta i Gumbs.)

2. Fanosoram-potaka

Mbola metimety kokoa, ny fanaovana an'io any anatin'ireo rindrin'ny parlemanta mandritra ny fikasana hanaovana y latsabato “Fitsipaham-ptokisana” ny mpitarika ny mpanohitra, izay iarovan'ny tombontsoan'ny parlemantera anao tsy hotànana ho tompon'andraikitra amin'ireo fanambarànao na ireo onitra mety aterany. Ny filazàna fa tsy mendrika ny hitàna asam-panjakana i Rowley noho izy “zanaky ny fanolanana” ary ny fanaovana izany dia manala-baraka ihany koa ireo niharan'ny fanbolanana manerana ny firenena. Mampisavoritaka bebe kokoa ny rivotra politika, fanakaramàna ireo mpamosavy amin'ny aterineto mba hamafazana kolikoly ara-politika mifototra amin'ny resaka foko ary avy eo mandà ny nanaovana azy, na dia eo aza ireo fijoroana vavolombelona mifanohitra amin'izany.

4. Fampiasana tenifototra

Raha ny marina, mampiasa an'ireo mba hisarihana ny saina ho any amin'ireo mpifanandrina aminao ara-politika. (Nampiasa ny tenifototra #GetOutKamla ny Hetsi-bahoaka Nasionaly, raha toa ka #NoRowley no nankamamian'ny governemanta Fiarahamitantan'ny Vahoaka.)

5. Ataovy toa mozika

Tezitra noho ny tsy naha-voafidy mba hifaninana hka seza iray amin'ireo fifidianana manaraka ve? Asehoy amin'ny alalan'ny hira ny fahasorenanao — indrindra indrindra, anankiray izay hiantsoanao ny praiminisitrao ho “neemakharam” (teny fampiasa natao mba hitovy hevitra amin'ny hoe politika tsy misy fotony).

6. Fampielezan-kevitra mandritra ny andro fifidianana

Mifanohitra amin'ny hevitry ny lalàna,  izay mandràra karazana fampielezan-kevitra mandritra ny andron'ny fifidianana, ezaho ny mampiasa Aterineto ho an'ny tombontsoanao amin'ny alalan'ny fisariham-bato virtoaly.

7. Fanitarana ireo ora fifidianana

Any Trinidad sy Tobago, misokatra amin'ny 6 ora maraina ka hatramin'ny 6ora hariva ireo birao fandrotsaham-bato raha ny mahazatra – saingy ny 7 Septambra 2015 teo, noho ny haratsin'ny toetrandro izay nitarika tondradrano manerana ireo faritra sasantsasany teo amin'ny firenena, nitarika ny Kaomisionan'ny Fifidianana sy ny Sisintany hanalava ny ora fandatsahambato tamin'ireo faritra sasany izany, tsy niomana momba izay ho  tabataba mety ho aterak'izany.

8. Fitakiana tsy ara-dalàna

After the results are in and the country's new prime minister, attorney general, and minister of national security are sworn in — and sworn in again thanks to an error in protocol — file a petition to declare the general elections null and void, due to the extension of the voting period.   ………………Taorian'ny nivoahan'ireo valim-pifidianana sy ny praiminisitra vaovao, nianiana ny lehiben'ny fampanoavana,  sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena – ary mbola mianiana indray koa noho ny tsy fetezana teo amin'ny arofenitra – nametraka fanangonana sonia natao ho fanambaràna  fa foana sy tsy manakery ireo fifidianana solombavambahoaka ireo, vokatry ny fanalavàna ny fotoana nifidianana.

Sahala amin'ny sarotra ve izany? Fitsangatsanganana an-kianja izany raha oharina amin'ny fanaratsiana sy ireo adilahy ara-pitsarana mifandrohy amin’ireo fifidianana anatin'ny antoko ao Trinidad sy Tobago!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.