1. São Paulo, Brezila | Sary avy amin'i Rodrigo Borges Delfim
Parque Ibirapuera (Zaridaina Ibirapuera), ny malaza indrindra ao an-tanàndehibe. Fanta-daza ny hazo noely ary toerana malaza fitsidihana isaky ny volana Desambra – na amin'ny andro avy orana aza.
2. Kyiv, Okraina | Tanya Lokot
Iray amin'ireo tsenan'ny noely ao Kyiv, ao amin'ny toeram-pampiratiana ara-java-kanto lehibe indrindra feno asa tanana momba ny fety tahaka ny ravaka hazo noely.
3. Victoria, Canada | Sary avy amin'i Nevin Thomson
Tranoben'ny antenimiera mpanao lalàna ao Colombia-Britanika voaravaka ho an'ny krismasy.
4. Bonn, Alemaina | Sary avy amin'i Annie Zaman
“Mafana be eto Alemaina ka nanala hetaheta nisotro labiera Alpen fa tsy Gluehwein izahay. Misy olona manana krismasy fotsy (rano-mandry) amin'ity taona ity? “
5. Maputo, Mozambika | Tsandzana Dércio
“Mirary fety sambatra avy amin'ny fianakaviana Tdanszana”. Nalaina tao ivelan'ny Lapan'ny Antenimiera ao Maputo.
6. Tanàn-dehibe ao Goatemala, | Sary avy amin'i Renata Avila
“Dadabe noelin'ny fiovan'ny toetrandro manao loko mifangaro.”
7. Beirota, Libanona | Sary avy amin'i Thalia Rahme
Hazo noely noravahan'ny maman'i Thalia.
8. Lima, Però | Juan Arellano
Anisan'ny fifaninanam-pirenena faha-XI momba ny fahaterahan'i Jesoa ity. Namboarin'ny Shipibos, olona ao amin'ny alan'ny amazona Peroviana. Miavaka saingy nasiana endrika ny lamba cushma (akanjo lava) aseho eto. Anisan'ny biby mahazatra amin'ny fahaterahan'i Jesoa any ny jagoara.
9. Toronto, Canada | Sary avy amin'i Mahsa Alimardani
“Tratry ny Krismasy ary mirary fety sambatra! Nifaly tanaty krismasy mafana hafahafa izahay aty Toronto (maripàna Arktika (tendrotany avaratra) tamin'ity taona ity sy tamin'ny herintaona!). Sambany izahay nanao kitonotono sakafo harivan'ny Krismasy. Hena atono ataon'ny dadako izany.”
10. Ilheus, Brezila | Paula Goes
Sakafobe nokarakarain'ny Nenitoan'i Paula.
11. Seranan-tsambon'i Espaina, Trinidad sy Tobago | Georgia Popplewell
“Arahaba avy amin'i Trinidad mipoaka masoandro, izay tsy ahitana zavatra tsy ara-dalàna ny toetrandro farafaharatsiny, na dia azo antoka fa niampy kely ny maripàna raha tsy tokony izany amin'ny hariva. Mangingina ny krismasiko, ka mizara ny sarin'ny hazo noely keliko aho, namboarin'ny mpanao asa tanana momba ny vy Croix des Bouquets, Haiti. Tokony ho hain'ireo mpiteny frantsay ny vakin'ny teny
12. Paris, Frantsa | Elise
Mazotoa homana! Fen-kisoa nasiana sira.
13. Miami, Florida | Sary avy amin'i Roberto Valencia
“Tranon'ny reniko, nankalazako ny krismasy. Miami, Florida.”
14. Santiago, Shily | Elizabeth Rivera
“Ny Vorontsiloza Krismasinay. [ ..] 33 degre ny maripàna eto Santiago, ka manao pataloha fohy ny dadabe noely.”
15. Lahore, Pakistana | Rai Azlan
Arahaba avy amin'ny hotely ato Lahore.
16. San Jose, Etazonia | Mary Aviles
“Tratry ny Krismasy avy ato amin'ny efi-tranoko ao San Jose, California.”
17. Kolkata, India | Aparna Ray
Dadabe noely manao dhoti nentim-paharazana. Ao amin'ny fety Krismasy ao amin'ny araben'ny Zaridaina ao Kolkata.
Misaotra betsaka ho an'ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices nizara sary momba ny fankalazana sy ny sakafo krismasin'izy ireo.