Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Febroary, 2024
Fampirantiana iray vaovao any UK mamerina ny lova navelan'ny governora britanika iray mahery setra ; hanaraka izany ve i Trinidad sy Tobago?
Nalàna tamin'ny taona lasa iny ny sarin'i Picton, izay nibahana toerana nisongadina tao amin'ny National Museum Cardiff nandritra ny zato taona mahery, saingy mbola manako ao Trinidad sy Tobago ny anarany.
Teraka tao Jamaika, Jason Allen-Paisant indray no poeta karaibeana nahazo ny loka malaza T.S. Eliot
« Alina manatantara ho an'i poezian'i Karaiba » : Amin'izao fandreseny izao, fanintelony izao tao anatin'ny dimy taona ny poeta manana fiaviana karaibeana no nahazo ity loka malaza ity.
Barbados, mihavitsy ireo trondro manidina sy aviavy be volombava
Voalaza fa hatramin'ny 2011 di nihena efa ho 50 isanjato ny fipetrahan'ireo trondro manidina, ary raha tsy misy fepetra stratejika ho fikajiana, mety hanjavona tsy ho hitan'i Barbados ao anatin'ny tontolony intsony ny aviavy be volombava
‘Tsarovy ny anarana': Nitondra fifaliana ho an'ireo mpankafy cricket any Antilles ny fandresena tsy nampoizina azon'i Shamar Joseph ao Goyana.
Ho an'ny maro amin'ny mpankafy ny lalao, toy ny fiverenana amin'ny androm-boninahitry ny cricket antillais ny fotoana, ka mahatonga ny sasany hanontany tena raha nanatri-maso fahateraham-baovao indray izy ireo.
Ny fandraràna boky ao Suriname anatin'ny tontolo erantany momba ny fahalalahana maneho hevitra
Mihoatra noho ny maha-olana anatiny azy ny fandraràna ireo boky miresaka ny lokiloky ao Suriname; laokolsy fanairana erantany io ho an'ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety manohitra ny jadona
Mihamandroso i Jamaika, fa inona no very?
Niteraka ahiahy teo amin'ireo mpandala ny tontolo iainana ao an-toerana ireo fanambaràna maro vao haingana milaza ireo fanorenana goavana manamorona ny morontsiraka avaratr'i Jamaika, izay toerana fizahan-tany malaza.
Ny anjara asan'ny fambolena manaraka toetrandro amin'ny ezak'i Goyana hampihenana ny fanafaran-tsakafo
Mba hanampiana amin'ny fanatrarana ny tanjon'ny CARICOM hampihena 25 isanjato ny fanafaran-tsakafo any Karaiba amin'ny taona 2025, dia mitodika amin'ny teknikam-pambolena manaraka toetrandro i Goyana ho fomba iray hampitomboana hatrany ny famokarana ara-tsakafo.