Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Novambra, 2013
GV Face: Dominikana 200.000 Taranaka Haisiana Nongotana Ny Zom-Pireneny
Afa-manaisora ny zo mahaolom-pirenena mihoatra ny 200.000 ve ny firenena iray? Amin'ity herinandro ity isika miresaka amin'ny mpikatroka avy any amin'ny Repoblika Dominikana sy Haiti.
Mampiato ny Servisin'ny Kaonsiliny any Etazonia i Kiobà
Hisy fiantraikany any amin'ny olom-pirenena Kiobana sy ny avy ao Etazonia ny fampiatoana ny servisin'ny kaonsily, noho ny tsy fahafaha-mamita fanaovan-taratasy tahaka ny famoahana pasipaoro, visas, antota-taratasy misy sonian'ny manampahefana, ary ny servisy hafa.
Nofoanana Ny Zom-pirenen'Ireo Dominikana Mpiavy Haitiana 200.000
Nanao fihetsikesehana manohitra ny didy ireo fikambanana tsy miankina (ONG) sy mpikatroka ara-tsosialy marobe, didy izay manafoana ny maha-olompirenena ireo Dominikàna manana fiaviana Haitiana 250 000.
Nosokafana Ny Famotorana Momba Ny Herisetra Nanjò Ny Pelaka Notaterina Voalohany Taminà Bilaogy
Mpanoratra kiobàna nitatitra momba ny herisetra ara-batana nihatra tamin'ireo pelaka ao an-tanànan'i Cardenas, Matanzas, tao amin'ny bilaoginy. Eo am-panaovana fanadihadiana ny sampan-draharaham-panjakana ankehitriny.
Bitsik'i Karaiba Ho An'i Tessanne Chin
Miezaka mafy ny handresy tamin'ny andiany faha-5 -n'ny The voice tao amin'ny NBC i Tessanne Chin, ilay Jamaikana mpiangaly mozika mampihetsi-po - ary isan-kerinandro dia maneho ny fanohanany azy ireo Jamaikana mpisera anaty aterineto.
Trinidad & Tobago: Mivoaka Mandresy ny Mpanohitra; Mbola Manantenana Hatrany Ny Governemanta
Mbola mafàna avy any amin'ny fandresena azony tamin'ny fifidianana ny ho Governemantam-Paritra, nandresy indray koa tamin'ny fifidianana ho fisoloan-toerana tao St. Joseph ny mpanohitra, Hetsika Nasionalim-Bahoaka (People's National Movement) - kanefa mbola mampitraka ny lohany amim-panantenana ihany ny governemanta.