· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Jolay, 2018

Haiti: Firodanan'ny sekoly iray tao Haiti

  22 Jolay 2018

''Tsy nanakana ny vaovao hitranga ny zava-misy fa tsy nila loza hafa i Haiti. Momba ny firodanan'ny sekoly iray tao Pétionville izany amin'ity indray mitoraka ity, izay niteraka fahafatesan'ny ankizy maro, ary olona maro tsy voatanisa naratra. Nihazakazaka hanolotra ny fiarahamiory sy ny fanohanany an-tambajotra ireo blaogera haitiana.''

Goianà : Tondradrano sy adihevitra

  11 Jolay 2018

''Ny Goianà (aza afangaro amin'ny Goiana (Guyane) dia vao haingana no niaina tondradrano mahery vaika, izay niteraka faharavàn'ny fambolena sy ny biby fiompy ary niteraka ihany koa hatezerana teny anivon'ireo blaogera. ''

Karaiba: Mitodika Amin'i Mumbai ny Maso

  09 Jolay 2018

Firenena telo any Karaiba, Guyana, Suriname, ary Trinité sy Tobago no ahitana olona marobe indrindra manana fiaviana indiana ao amin'ny mponina ao aminy... Tsy misy fahagagana, marobe ireo mponina ao Karaiba sy ireo blaogera no nanaraka akaiky an'ireo fampihorohoroana vao haingana tao Mumbai, tanaty horohoro sy alahelo be.

Amin'ny fanoherana ny zon'ny pelaka, miara-dalana mba hisara-kevitra kokoa ny solontenan'ny mpitondra fivavahana avy ao Trinite sy Tobago

  08 Jolay 2018

Manao izay azonareo atao mba hampihenana ny vono olona, fametavetana ny ankizy, herisetra an-tokantrano, adin'ny andian-jiolahy, ny tsy fananana fialofana, fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana, ny hantsana amin'ny karama, ny kolikoly,... Eh! Zava-dehibe kokoa ny fampiasana ny fitarihanareo hibaiko hoe iza no manan-jo na tsia hifankatia.

Jamaika : 46 Taona ny Fahaleovantena (2008)

  07 Jolay 2018

Nisy fahombiazana, nisy tsy fahatomombanana, nisy fandrosoana niteraka faharisihana ary nisy koa ny setriny nandiso fanantenana. Mila maka fotoana isika handinihantsika ny tenantsika. Tsy maintsy raisintsika ny fanapahankevitra hanorina miainga avy amin'ny fahombiazantsika sy hirotsaka indray amin'ireo kianja izay naharesy antsika