Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Febroary, 2014
Miandry Ny Hahita An'i #WorldBoss Ho Afaka Madiodio Na Ho Voaheloka Ry Zareo Jamaikana
Tsy mbola misy didim-pitsarana mivoaka momba ny fitsarana ny raharaha vonoolona Vybz Kartel , saingy tsy mahatombina miandry izay hivoaka eo ry zareo Jamaikàna - sady mibitsika mikasika izay mety hiseho eo anelanelany eo.
SARIPIKA: Olombelon'i Karaiba
Sombim-piainana avy any Karaiba no itarihan'ny mpakasary, izay tahaka ny maro manerana ny glaoby, naka aingam-panahy avy amin'ny tetikasan'ny Olombelon'i New York, anao ao amin'io faritra io.
Mbola Misarika Ny Sain'ny Olona Ny Fandresen'i Nina Compton, Sefon'ny Nahandro St Lucian
Mety tsy handrombaka ny fanambiny amin'ny loka Top Chef ny sefon'ny nahandro Nina Compton, Saint Lucian, saingy nisarika ny fo - sy ny vavony - tao amin'ny faritra Karaiba.
Fetiben'ny Hiram-Pitiavana Avy Any Karaiba
Efa mahazatra ny fanakonan'ny Fetibe ny fankalazana ny Andron'ny Mpifankatia any amin'ny faritra maro ao Karaiba, noho izany dia nihevitra ny ekipan'ny Global Voices Karaiba fa mety hahafinaritra ny hampivady ireo fomba roa ireo - tsilalaonteny.
Tafiditra Amin'ny Fisolokiana An-telefonina ny Laharana Avy Any Karaiba
Ampiasaina hanaovan-tsoloky amin'ny alalan'ny "maneno tokana" ny laharan-telefonina avy any Karaiba amin'izao fotoana izao; Mampiasa ny fitaovam-pampahalalam-baovao sosialy ny mpiserasera hitaraina sy hampitandrina ny hafa momba ny fanjonoam-bola.
Trinidad & Tobago: Setroka Tao An-Tanàna
Nanandrana niatrika ny fiantraikan'ny setroka matevina ny mponina izay miasa sy monina ao an-tanàna na ny manodidina noho ny fisian'ny afo maromaro tao amin'ny toerana fandorana fako tany Trinidad.