Tantara mikasika ny St.Kitts & Nevis
‘Tsy Nahasahy Nijery Isika': Ravan'ny Rivodoza Maria I Dominica
'Ny faharavana tanteraka no tatitra voalohany. Hatramin'izao very avokoa ny zava-drehetra azon'ny vola novidiana sy soloina. Ny faharatran'olona tamin'ny fotoana [...] nandrava tanteraka...eny, tsy takatry ny saina.'
Londra, Karaiba: Lokon'ny Karnavaly Ao Notting Hill
Fetibe tsy ivohan'ny Banky volana Aogositra ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, izay midika ho andro mibaliaka masoandro, mahafinaritra eny an-kalamanjana - sy Karnavaly Notting Hill, karnavaly lehibe indrindra amin'ny endrika Karaibeana any Eoropa ary iray amin'ireo fetiben'ny fahavaratra lehibe indrindra na aiza na aiza.
St. Kitts & Nevis: Fisamborana Mampihenjana Ny Toe-Draharaha Politika
Mitohy ny Fihenjanana ara-politika ao St. Kitts [mg] taorian'ny fampisamborana ny lehiben'ny People's Action Movement teo aloha Lindsay Grant nandritra ny fihetsiketseha-panoherana notontosaina tamin'ny zoma.
St. Kitts & Nevis: Eo Am-Panoherana ny Praiminisitra
Tsy fahita firy ao amin'ny politika any Karaiba, izay masiaka ny firaiketam-po amin'antoko, saingy tafakatra avo kosa ny fifanenjanana politika ao St. Kitts and Nevis taorian'ny fialan'ny minisitra zokiolona roa tamin'ny Antokon'ny Mpiasa St. Kitts and Nevis mitondra amin'izao fotoana izao izay misy ny Praiminisitra Denzil Douglas. Izany fihetsika izany...
