Tantara mikasika ny Bermuda
Afaho Kareem: Nirotsaka koa ny tao Karaiba
Ny fahalalahana miteny voaporiporitra any ananona any, dia famoriporetana ny fahalalahana miteny manerana ny tany
Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic
Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.
Karaiba: Mitodika Amin'i Mumbai ny Maso
Firenena telo any Karaiba, Guyana, Suriname, ary Trinité sy Tobago no ahitana olona marobe indrindra manana fiaviana indiana ao amin'ny mponina ao aminy... Tsy misy fahagagana, marobe ireo mponina ao Karaiba sy ireo blaogera no nanaraka akaiky an'ireo fampihorohoroana vao haingana tao Mumbai, tanaty horohoro sy alahelo be.
Karaiba: Andro Fanafoanana Ny Fanandevozana
"Fotoana izao hieritreretana ny làlana nizorana amin'ny maha-firenena sy amin'izay mbola tokony ho tontosaina. Mino aho fa mbola famotsorana betsaka no ilaintsika atao".
Lalao Cricket An-tanànakely, Amin'ny Endrika Karibeana
Amin'izao vanim-potoana izao, mitodika any amin'ny lalao cricket ny eritreritry ny Karibeana miteny anglisy . Rehefa mivezivezy manodidina ny iray amin'ireo faritra zanatany Britanika teo aloha ianao dia mety hahita sehatra maitso tahaka ity iray ity ao amin'ny tanànakelin'i Howsen, Trinite.
Fijerin'i Karaiba : Ny Fahalalaham-Pitenin'i Charlie Hebdo Manoloana ny Tsy Fahazakana Adihevitra
Bilaogera Karaibeana Roa Miresaka Fondamentalisma ara-pivavahana ao anatin'ny toe-draharaha fanafihana ny Charlie Hebdo sy ny eritreritra raha fanararaotra izao hiovana fitantaram-potokevitra.
Inona No Mety Ho Fiantraikan'ny Fahaleovantena Ekaosey any Karaiba?
Ahoana moa no mety isian'ny fiantraikan'ny zavatra heverina ho lavitra tahaka ny resaka fahaleovantena Ekaosey no mety hisy fiantraikany amin'ireo firenena ao Karaiba? Mety hampisy fifandraisana mihoatra noho izay eritreretina ny halavan'ny tanan'ny tantaram-panjanahantany.
Tsy Mahita Toerana Hitadiavam-bonjy Intsony Ireo Lasibatry Ny Herisetra An-tokantrano Ao Bermuda
Voatery nakatona ny toby tokana fampiantranoana ireo lasibatry ny herisetra an-tokantrano ao Bermuda satria tsy misy ny vola hampandehanana azy.
Ahoana Ny Amin'ireo Maherifo Tsy Fantatra Any Bermuda?
Mankalaza ny Androm-pirenen'ireo Maherifo i Bermuda ny 16 Jona, saingy miady hevitra mikasika ny mety hanatsarana ny fomba fankalazana izany ny mpitoraka bilaogy noho ny tsy fisian'ny olona tsarovana manokana tamin'ity taona ity.
SARIPIKA: Olombelon'i Karaiba
Sombim-piainana avy any Karaiba no itarihan'ny mpakasary, izay tahaka ny maro manerana ny glaoby, naka aingam-panahy avy amin'ny tetikasan'ny Olombelon'i New York, anao ao amin'io faritra io.