Tantara mikasika ny St. Vincent & the Grenadines
Naratra nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny “tsy maintsy” hanaovana vaksiny ho an'ny rehetra ny praiminisitra ao Saint-Vincent sy Grenadines
Nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana fa hanitsakitsaka ny zon'ny vahoaka ny tolokevitra fanitsiana ny volavolan-dalàna ary niampanga ny governemanta ho tsy nahavita nifampiresaka momba io olana io.
Lazain'ireo mpanorina tanàna hoe maty ny vatohara ao amin'ny Helodrano Indiàna any St. Vincent. Mifanohitra amin'izay no asehon'ireto sary ireto
"Izaho vavolombelon'ny fitsiriana indray teo amin'ireo vatohara elkhorn tany amin'ireo faritra manandanja ao amin'ilay helodrano. Alaivo sary ao an-tsaina ny mety ho azao atao raha toa isika tena mametraka tokoa ny ezaka araham-piniavana ataontsika, na tsia. Tsy vahaolana ny haran-dranomasina voatrolombelona."
Orambe vao mainka manavesatra ny fiantraikan'ny volkano La Soufrière ao St. Vincent sy ao Grenadines
Manakaiky ny vanimpotoanan'ny rivo-mahery 2021 ao Atlantika, mizaka orambe mivatravatra ny firenena, izay vao mainka manampy trotraka amin'ny fiforonan'ny Lahars na riakam-potaka vôlkanika mandravarava
Nilaza ny manam-pahaizana fa “tsy mbola tapitra” ny fipoahan'ny La Soufrière ao St. Vincent
Valalanina ny mponina na dia manazava aza ny manam-pahaizana momba ny volkano fa efa nampoizina io karazana fipoahana io,
Nipoaka indray i La Soufrière ao St. Vincent tamin'ny tsingerintaona faha-42 fipoahana lehibe farany
mihabetsaka ny ahiahy amin'ny fahasalaman'ny mponina tsy manaiky handao ny fonenany ao amin'ny "Red Zone" [Faritra Mena] sy ny fiainan'ny vorona sy biby mpirenireny hafa
‘Fipoahana voamarina” tao amin'ny volkano La Soufrière ao St. Vincent
Samy nisy famindran-toerana natao na an-tanety na an-dranomasina, miaraka amin'ireo faritany maromaro, ao anatin'izany i St. Lucia sy Barbados, izay manolotra handray ireo olona afindra toerana.
