Tantara mikasika ny Dominika
Vehivavy roa atleta vao avy nandrombaka ny medaly ôlaimpika voalohany ho an'i Ste Lucia sy Dôminika
Julien Alfred avy ao Ste Lucie no nahazo fandresena miezinezina sy manan-tantara tamin'ny 100 metatra, raha i Thea LaFond avy ao Dôminika kosa nahazo koa ny volamena tamin'ny taranja in-telo mandingana, sokajy vehivavy.
Raha miomana ny hizàka ny dona mivantana i Jamaika, manomboka kosa ireo ezaka fanampiana an'ireo nosy ravan'ny rivodoza Beryl
Mety hahavariana an'ireo manampahaizana manokana amin'ny toetrandro ny maha-miavaka an'i Beryl, fa ireo singa mahatonga an'i Beryl hisongadina kosa dia atahoran'ireo voa matetika ho lasa fenitra
‘Tsarovy ny anarana': Nitondra fifaliana ho an'ireo mpankafy cricket any Antilles ny fandresena tsy nampoizina azon'i Shamar Joseph ao Goyana.
Ho an'ny maro amin'ny mpankafy ny lalao, toy ny fiverenana amin'ny androm-boninahitry ny cricket antillais ny fotoana, ka mahatonga ny sasany hanontany tena raha nanatri-maso fahateraham-baovao indray izy ireo.
Ny fanondroana an'i Dominica ho voalohany manerantany toeram-pialokalofan'ny trozombe manampy iadiana amin'ny fiovan-toetrandro
Midika fitomboan'ny taova manan'aina (plankton) bebe kokoa ny trozombe bebe kokoa, izay midika fangejana CO2 bebe kokoa.
Taorian'ny rivodoza Maria dia mbola miezaka hatrany Dôminika manorina trano mahatohitra ny fiovaovan'ny toetrandro, ka amin'ny COP28 izy dia hanao adisisika ho an'ny rafitra ara-bola ho an'ireo fatiantoka sy fahasimbàna.
Ny tahirimbola iray ho an'ny fatiantoka sy ny fahasimbàna dia handray anjara be hanome "famatsiambola iray ara-toetrandro tena ilain'ireo firenena faran'izay marefo ravan'ny fiantraika ratsin'ny fiovàn'ny toetrandro
Nambaran'ireo firenena amin'ny ilabolantany atsimo fa tsy nisy ny fandraisana andraikitra ara-toetrandro nandritra ny COP27
Satria iray andro sisa tavela amin'ny fihaonambe eran-tany, mbola tsy nisy ny fametrahana rafitra famatsiam-bola ho an'ny Fatiantoka sy Fanimbana satria miodinkodina manodidina ny fandaharam-potoana ny firenena mandroso .
Antigoa & Barboda: firenena farany indrindra ao Karaiba nanambara hoe tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ny lalàna “mandrara ny sôdômia”
Tamin'ny 5 Jolay, namoaka didy ny Fitsarana Avo tao amin'ny firenena fa mifanohitra amin'ny zo omen'ny lalàm-panorenana ny olompirenena ireo toko sy andininy ao anatin'ny Lalàna Manameloka ny Firaisana Ara-Nofo ataon'ny olona mitovy taovam-pananahana
Andao handehandeha an-tongotra! Sarin'ireo lalana sasany mahafinaritra indrindra ao Karaiba
Maro amin'ireo olona any Karaiba no mazoto mandeha an-tongotra — ireo sary ireo dia hampiseho aminao ny antony. Many Caribbean people are avid hikers—these photos will show you why.
Tokony hitady vahaolana sy fanohanana amin'ny COP26 ireo mpiraharahan'i Karaiba
“Raha tsy manana fepetra na rafitra sahaza mba hampangarahara ny kaonty momba azy ireo ianao, tsy azonao atao ny milaza raha tonga amin'ny tsy fiandaniana karbônina ianao amin'ny taona 2050..”
Nivoaka ny lisitr'ireo voafantina amin'ny fetibe literera ao Karaiba andiany taona 2021; betsaka ny mpanoratr'i Trinidad & Tobago voatsonga
“Inona ny boky hafa hiresaka ao anaty boky iray ny “street food” trinidadiana, ny poezian'i Thom Gunn, sy an'i Dylan Thomas miezaka miresaka ny karazan-kira soca?”