Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Avrily, 2018
Nanamaloka ny andro iraisampirenena ho an'ny zon'ny vehivavy tao Jamaika ny nampihenana ny sazin'ilay pasitera voaheloka ho nanao firaisana ara-nofo tamin'ny zaza tsy ampy taona
Naneho ny tsy fankasitrahany izay heveriny fa sazy maivana ireo mpisera aterineto, ambany lavitra amin'ny 15 taona ambony indrindra amin'ny tranga toy izany ny sazy. Ny fampihenan-tsazy dia avy tamin'ny fanapahan-kevitra navoakan'ny minisiteran'ny fitsarana, mba hanafainganana ny fitsaràna eo amin'ny tribonaly, dia manome sazy fohifohy kokoa amin'ireo izay miaiky heloka.
Sary avy any Haïti: Varotra zavakanto ho fanohanana sekoly
Raha nikaroka tao amin'ny aterineto aho androany dia nahita tetikasa iray tsy mitady tombontsoa avy any New York izay mampiasa ny zavakanto Haitiana mba hanohanana ara-bola ny sekoly any Haiti.
Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 16-22 avrily 2018?
Nandritra ny herinandron'ny 16 ka hatramin'ny 22 Febroary 2018, ny momba an'i Taiwan no tantara malaza indrindra tao amin'ny tranonkala amin'ny teny Indoneziana. Ary ny an'ny tranonkala amin'ny teny Poloney ? Ny tantara iray momba an'i Meksika.
Etazonia: Guantanamo An-Tanindrazana
Nivadika ho nofiratsy ho an'ireo mpifindramonina an'arivony manana taratasy sy tsy manan-taratasy ara-dalàna ao Etazonia ny nofinofy Amerikana, satria nampidirina am-ponja mandritra ny volana sy taona maromaro ao amin'ny tranom-pihazonana mpifindra-monina manerana ny firenena izy ireo, miandry ny fitsarana sy ny fandroahana azy ireo
Inona no novakian'ny mpamakin'ny Global Voices tamin'ny herinandron'ny 9-15 avrily 2018?
nandritra ny herinandron'ny 9-15 avrily 2018, nahatratra mpamaky avy amin'ny firenena 211 ny tantara sy ny fandikanteny tato aminay. laharana faha-95 ao amin'ny lisitra? Azerbaijan. Ary ny laharana faha-154? Niger.
Manoratra Bilaogy momba ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA
Nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA tamin'ny fitenenana ampahibemaso sy mafy mikasika ny VIH SIDA ireo bilaogera manerana izao tontolo izao ny voalohan’ny volana Desambra. Fanomezam-boninahitra ny ady amin'ilay valanaretina, izay mihamatanjaka noho ny fahanginana sy ny fampahalalàna diso, ny lahatsoratra rehetra navoaka tamin’izany.
SARIPIKA: Fankalazana Rehefa Nandidy ny Lalànan'ny ‘Fahapelahana’ Ho Tsy Mifanaraka Amin'ny Lalampanorenana Ny Fitsarana Ambony ao Trinite & Tobago
"Any amin'ny farany, na hanova na tsia ny toe-tsain'ny rehetra ny didim-pitsarana, niara-nijoro teo amin'ny Lapan'ny Fitsarana ny mpikatroka LBGT+ sy ny mpikatroka ara-pivavahana..."
Disadisa Diplaomatika Tamin'ny Fandavan'i Trinite sy Tobago ny Fanamaivanana Fandoavam-bolan'i Dominika Ao Amin'ny OAS
Manantena tanteraka aho fa fantatry ny olona ao Dominika fa tsy ny Trinbagoniana rehetra no tsy malala tanana araka ny mety asehoan'ity fanapahan-kevitra ofisialy ity
Inona no Novakian'ny Mpamakin'ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 2-8 Avrily 2018?
Nahasintona mpamaky avy amin'ny firenena miisa 2009 ny tantara sy ny fandikatsoratray nandritra ny herinandron'ny 2-8 Avrily 2018. Laharana faha-53 ao amin'ny lisitra? Thailandy. Ary ny laharana 182? São Tomé & Príncipe.