Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Jona, 2023
Sambany ho an'i Jamaika, voafantina amin'ny lokan'ny tantara fohy Commonwealth 2023 sokajy rehetra i Kwame McPherson
Ny tantarany, "Ocoee," dia mifototra amin'ny zava-nitranga ara-tantara, naka ny anarany avy amin'ny tanànan'i Florida izay toerana nisy ny fanafihana ara-poko nahatsiravina tamin'ny 1920.
Ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro amin'ny famokarana sakafo ao Goiàna sy St-Vincent&Grenadines
Raha niezaka nanandrana ny hampitombo ny famokarany ireo firenena nosy kely ao Karaiba mba hiadiana amin'ny fidangan'ny vidin-tsakafo, ny fiovàn'ny toetrandro kosa nanelingelina ireny ezaka ireny
Ny dian'ny mozika parang ao Trinidad, anatina podcast fampahafantarana iray
"Tsy mozikam-pifaliana noho ny nahaterahan'i Kristy fotsiny ny Parang, fa ihany koa mitantara ampahan amin'ny tantaran'ny fandresena sy ny fiovàm-po."
Andro Erantany ho an'ny Soka-dranomasina: Fomba fijerin'i Karaiba
Mandray soka-dranomasina isankarazany i Karaiba isantaona mandritra ny vanim-potoanan'ny fanatodizana, ary ny ankamaroan'izy ireo dia na marefo, na tandindon-doza amin'ny fahalaniana tamingana.
Milaza ny mpanao famotorana ao Goiana fa mpianatra vavy iray tezitra tamin'ny findainy nogiazana no fotory ny fahamaizana mahatsiravina tamin'ny kilasimandrin-tsekoly iray
Tao amin’ny efitra fandroana no niantombohan’ny afo, izay noheverina fa nanaparitahan'ilay tovovavy fanafody famonoana bibikely teo amin’ny lambam-baravarana, avy eo izy nandrehitra afokasoka. Vetivety dia niitatra nanerana ny trano ny afo.
Ny filaharam-ben'ny Corpus Christi ao Port of Spain, Trinidad, an-tsary
Iray amin'ireo firenena 18 mbola mitazona ny Corpus Chisti ho fetim-pirenena i Trinidad sy Tobago
Ao Karaiba, ezahan'ny Andro Eranany ho an'ny Boloky ny hanentana ny daholobe momba ireo karazany marobe tsy fahita afa-tsy ao , nefa tandindonin-doza
Ao amin'ny faritra, ny fisamborana sy famarotana boloky ho an'ny tsena tsy ara-dalàna dia loza goavana mananontanona, arahan'ny fahaverezan'ny toerana fonenany noho ny fandripahana ala ho an'ny asa fanorenana trano, sy ny fizahantany ary ny fampiroboroboana ny fambolena.