Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Jona, 2017

30 Jona 2017

Tsy Ilay Fialofana Nantenain'ny Maro Ny Trano Fonenana Any Ivelan'i Havana

Toerana fonenana, ny antsasany no misy mipetraka ary ny antsasany ampahany mbola an-dalam-panoreana no "vahaolana" atolotra any Marianao, faritra tsy ara-dalàna eo amin'ny manodidina an'i Havana.

27 Jona 2017

Mampisaintsaina Lalina ny Tontolon'ny Bilaogy Karaibiana Ny ‘Salopety’ Ho An-dehilahy

Salopetin-dehilahy + Karaiba = volamenan'ny mediam-bahoaka? Inty misy topimason'ireo resaka sasantsasany miseho manodidina ny Romphims ao amin'ny tontolon'ny bilaogy ao amin'ny faritra.

Hametra-pialàna Sa Tsia: Roa Mpanao Lalàna Mametraka ny Raharahan'Ireo Amin'ny Fifidianana “Fitsipaham-pitokisana” Natao Tamin'ny Lehiben'ny Fitsarana Any Trinidad Sy Tobago

"Ny fotoana manan-danja amin'ny fikatsahana fandraisana andraikitra" na "ny antso tsy tapaka sy niely be tamin'ny haino aman-jery nataon'olom-bitsy ho [an'ny filohan'ny fitsarana] mba hialany? Henoy ny lafiny roa amin'ny fanehoankevitra.

20 Jona 2017

Londra, Karaiba: Lokon'ny Karnavaly Ao Notting Hill

Fetibe tsy ivohan'ny Banky volana Aogositra ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, izay midika ho andro mibaliaka masoandro, mahafinaritra eny an-kalamanjana - sy Karnavaly Notting Hill, karnavaly lehibe indrindra amin'ny endrika Karaibeana any Eoropa ary iray amin'ireo fetiben'ny fahavaratra lehibe indrindra na aiza na aiza.

16 Jona 2017

Goyana: Tondra-drano i Georgetown

"Toeran'ny Klioban'ny Demerara Cricket no ao ambadik'ity rindrina ity- dobo midadasika mifefy ahitana herikerika..efa lasa farihy tanteraka izy ankehitriny,", hoy ilay mpisera Flickr Chennette, Trinidadiana monina ao Goyana, tamin'ny fanazavana ny sary etsy ambony :

13 Jona 2017

Tsy Misy Fampanambadiana Ankizy Intsony Ao Trinidad & Tobago

Ela loatra ary feno resabe poakaty tsy nilaina, saingy hainareo ihany fa tsy ara-dalàna ny fanambadian'ny ankizy aty Trinidad sy Tobago amin'izao fotoana izao, [...]

09 Jona 2017

Frantsa, Amerika, Afrika: Ny Loka “Y'a Bon”

Tamin'ny 17 Martsa 2009, nanomboka ny "Loka Y'a Bon " ny vondrona antsoina hoe les Indivisibles [Fr] , fanomezam-boninahitra iray hafa kely, izay natolotra ho an'ireo mpanao politika, mpanao gazety, sy mpiasam-panjakana izay nandray anjara tamin'ny fanelezana ny fanavakavaham-bolokoditra tao Frantsa.